ara pomba ofisialy ireo fitaovana vaovao ho an’ny Lycée Technique Ampefiloha, novatsian’ny UNESCO tamin’ny alalan’ny tetikasa BEAR III. Hanamafy ny fampiharana ny fandaharam piofanana Baccalauréat Professionnel Textile – Habillement – Accessoires (THA) ireo fitaovana ireo, indrindra amin’ny sampam piofanana « Coupe et Couture » na ny haitao manodidina ny zaitra. Tanjona ny hanatsara ny kalitaon’ny fampianarana sy ny fanofanana ho an’ireo mpiofana. Tonga nanome voninahitra ny hetsika ny Minisitry ny Fampianarana Teknika sy ny Fanofanana arak’Asa (METFP), Dr Andriamampandry Todisoa Manampy, sy ny Lehiben’ny sampan’asan’ny UNESCO eto Madagasikara, Rtoa Rakotoson Julie. « Imatimatesana sady tanjona ho fanatsarana ny Minisiteran’ny fampianarana teknika sy ny fanofanana arak’asa ny lafiny ara-pitaovana satria isan’ny nandringa teo aloha ny ara-pitaovana, ka zava-dehibe ny fitaovana izay tena maoderina. Antoka lehibe amin’ny fanatsarana ny kalitaon’ny fampianarana sy ny fanofanana, ahafahan’ireo tanora mba miofana tsara sy matihanina tsara, mba tena hanana traikefa rehefa tonga amin’ny sehatry ny asa », hoy ny Minisitra Dr Andriamampandry Todisoa. Nankasitraka ny UNESO izay mpiara-miombon’antoka sy mpiara-miasa akaiky amin’ny METFP ny Minisitra izay nanamarika fa maro ny fanomezana sy fanohanana efa nentiny, toy ny Ivon-toeram-panofanana any Ranopiso Faradofay,… Nisaotra ireo mpiara-miombon’antoka rehetra izay tena miara-miasa ity minisitra ity, ka notsihipihiny fa rehefa misy ny finiavan’ny Minisitera ary misy ny Fanjakana tsara tantsana sy ady amin’ny kolikoly dia manampy ny mpiara-miombon’antoka izay tena maro no manohana sy miara-miasa. Anisany ny UNESCO, Vondrona Eoropeanina izay anisan’ny mandrindra famatsiam-bola 35 tapitrisa dolara, ny sampana avy amin’ny Banky Iraisam-pirenena manohana 100 tapitrisa dolara,… Tena zava-dehibe ny fanohanana ny fampianarana, ka hitohizan’ny fanatsarana dia nampahafantatra ny Minisitra Andriamampandry Todisoa, fa hatao ny 29 jona izao ihany ny fikaonandoham-paritra mikasika ny fampianarana iraisan’ny Minisitera telo (Fampianarana ambony, fampianarana teknika, fanabeazam-pirenena) hoentina hanatsarana ny rafi-pampianarana, ny programam-panabeazana,…
Toky R