airtel

Fampianarana

19-juil-2023

Fampianarana

Antsiranana Voasambotra ilay nisoloky ho mpivarotra « sujet bacc »

Sample post image

Tovolahy iray voalaza ho mpisoloky nivarotra laza adina bakalorea no nosamborin’ny mpitandro ny filaminana tany Antsiranana ny Alatsinainy 17 Jolay lasa teo.

19-juil-2023

Taorian'ny fitarainana nataon'olona maromaro voasoloky tamina resaka laza adina bakalorea dia nandray ny andraikiny ny polisy. Raha tsiahivina dia hamidy amin'ny tambazotran-tserasera izy io ka rehefa mandefa ny vola amin'ny alalan'ny finday dia hataon'ilay olona "liste noire" ireo nividy izany. Nanokatra fanadihadiana ny lehiben'ny sampana miady amin'ny heloka an'habaka izay niara-niasa tamin'ny tambazotra iray eto an-toerana ka tratra tao Lazaret ny anaolahy tokony ho tamin'ny 06 ora sy 15minitra maraina. Rehefa natao ny fanadihadiana dia fantatra fa tovolahy mpianatra izay vao 22 taona ny tenany ka karapanondron'olona very no nentiny nividianana "puce" hanaovany ny asa ratsiny. Voatazona ao amin'ny kaomisaria foiben'Antsiranana ity farany ary mbola mitohy ny fanadihadiana hatao aminy.
Pati
Legende : Ity ilay tovolahy tratra
 

Dans la même rubrique

24-juil-2024

Mampiaka-peo manoloana ny olana samihafa miverimberina ny mpianatry ny oniversiten’Antananarivo

Card image cap
24-juil-2024

Anisany mpandray anjara tamin'ny hetsika Madagascar school Fair teny amin'ny Radisson Blu

Card image cap
24-juil-2024

Hafakely ny tranga nandritry ny fanadinana bakalorea tany Ambositra ny andro voalohany,

Card image cap