Tena mampalahelo ny tontolon’ny fanabeazana sy fampianarana eto amin’ny firenena amin’izao fotoana izao, raha ny nambaran’ny teo anivon’ny fikambanana ara-tsosialy Mii’zara omaly. Tamin’ny andronay, hoy ny filohan’ity fikambanana ity, Fafah Rarivo, izany kilasy faha 7 na T5 izany efa mahay mamaky teny tsara tsy miankananka nefa ankehitriny dia tena hoe manahirana ny mampanonona azy ireo litera isaky ny silaby. Nosafidianay, noho izany, hoy izy, ny ifototra amin’ny fampianarana mamaky teny eny amin’ireo sekoly manabe zana-bahoaka na EPP amin’ny alalan’ny famakiam-boky. Ny faritra Ambatolampy Tsimahafotsy no tena iandraiketana. Izany hoe manomboka eo Ankisa ka hatrany Ambohimarina. Mampianatra ankizy amin’ny EPP mamaky boky in-dray mandeha isa-kerinandro hatreto ny fikambanana. Ora iray hatramin’ny ora roa eo izany. Ao anatin’izay ihany koa dia misy ny fampiharana amin’ny alalan’ny boky fampiharana na «manuel» hamohazana ny sain’ireo ankizy kely. Miainga amin’ireo mpampianatra ny isan’ny tena fototry ny olana lehibe satria tsy miantefa any amin’ireo ankizy ny fampianarany. Ny resaka karama ve no tena olana sa inona? Hita ho tsy dia tena mifototra amin’ny fampianarana toy ny taloha intsony ny mpampianatra ankehitriny. Nanomboka tany amin’ny volana aogositra 2025 tany ny tranombokin’ny Mii’zara no efa nahita ny fivoaran’ireo mpianatra taorian’ny nandraisan’ny fikambanana an-tanana ny fampianarana vaky boky azy ireo. Ny teny anivon’ny EPP dia noraisina nanomboka ny volana desambra 2025 teo. Hita ho mbola marefo ireo mpianatra na dia misy fivoarana kely aza. Mba mangataka tolo-tanana ihany koa ny fikambanana, indrindra, ho an’ireo vonona hiaraka aminy, izany hoe, hiasa an-tsitrapo eny anivon’ireny EPP rehetra ireny satria tsy ho voasahan’ny fikambanana avokoa ny EPP rehetra fa any amin’ny toerana misy ny tsirairay avy any dia afaka handraisany anjara amin’ny fampianarana ireny zandrikely sy zanaka ireny. Angatahana ihany koa ny lafiny fampitaovana satria ireo mpilatsaka an-tsitrapo na dia tsy mandray vola aza dia misy ny fandaniana samihafa na dia atao hoe ny lafiny saran-dalana fotsiny aza, hoy hatrany ity fikambanana ity nanao izay antso tolo-tanana ho fanavotana ny fanabeazana izay.
J. Mirija