tsy mbola nisy nanao maneran-tany ny BICI (Bureau International de Consultation en informatique). Teknolojia mampivady ny Intelligence Artificielle na ny IA hiasa anatin’ny anatin’ny antontan-kevitra sy antontam-baovao na «Système d’information » iasan’ny orinasa. Nampiarahana ireo mba hiasa miaraka amin’ny fikirakirana ara-bola, antontan’isa, antontan-kevitra, faktiora, stocks… Manampy sy manamora ary manafaingana ny fomba fitantanana sy fiasa ao amina orinasa iray. Tsy misy ahiana ny lafiny fiarovana na « sécurisation des données ». Tsy mila « serveur » mavesatra be ny « ASYNC » ary novolavolaina ho afaka hahaleo tena 100% amin’ny alalan’ny angovo amin’ny masoandro ny fampandehanana azy,… Arifomba tanteraka ity "Application" ity satria dia "Cryptage personnalisée" no hiarovana ny "Données" an'ilay orinasanao. 100% vita Malagasy ity "Application" ity.
EFA FANTA-DAZA ERAN-TANY NY BICI
Nanomboka ny 2007 no tsy nitsahatra nitondra rivo-baovao ara-teknolojia teto Madagasikara sy maneran-tany ny BICI izay orinasa Malagasy sangany amin’ny tontontolon’ny informatika indrindra fa amin’ny lafiny «Développement de l’Application en Informatique ». Manana ny foibeny eto Madagasikara sy rantsana any Maurice. Nitondra fahaiza-manao tamin’ny sehatra sy orinasa maro toy ny Banky MCB Maurice, MERCEDES, Wolkswagen, McDonald’s, Burger king, Seranantsambon’i Toamasina, CNaPS … ka hivelatra hatrany hitondra ny traikefany indrindra fa ho an’ny orinasa Malagasy izay ain’ny toekerana.
NY ANY IVELANY AZA MISITRAKA MAINKA FA NY MALAGASY
Naneho i Tahina Razafinjoelina Filohan’ny Filankevi-pitantanan’ny BICI, fa tena mbola tsy nisy tahaka an’io, ny any ampita aza mbola tsy nahavita tahaka an’io, fa vao isika no nahavita azy ! Mivoatra isan-taona, 22 taona izay no niasana tamina orinasa indrindra tany ampita, fa teo ihany koa ny teto. Tonga ny fotoana mba hahatsapanay ihany koa hoe amin’izao fandehanan’ny « IA » izao dia andao asehontsika amin’ny olona hoe : mahavita ihany koa isika Malagasy, isika no nahavita an’izany hoe : ny « Intelligence Artificielle » ampiarahantsika amin’ny « Système » mahazatra, mbola tsy nisy nanao izany hoe : ohatrinona ny tombobarotra androany, ohatra, dia voavaly amin’ny alalan’ny IA. Ny any ampita aza miaraka aminay manao ka rariny raha mba misitraka azy isika eto, hoy hatrany i Tahina Razafinjoelina. Efa maro ireo orinasa nanomboka niantso ny BICI taorian’ny 09 aprily teo nampahafantarana ofisialy ny « ASYNC » hoe : ahoana sy ahoana fa mahaliana anay ity zavatra ataonareo ity !
Toky R
Tontosa omaly Talata 27 May Tontosa omaly Talata 27 May ny fanadinana CEPE
Afaka tapa-bolana mahery eo ho eo dia higadona ny datin’ny 17 Jona hanatanterahana