Ahitana efitrano fianarana efatra vaovao izy io, efa misy fampitaovana rehetra ka ny efitrano iray natokana ho an'ny garabola, raha natokana ho an'ny ambaratonga fototra kosa ny efitrano telo ambiny. Vokatry ny fiaraha-miasa teo amin'ny mpiara-miombon'antoka MDF (Madagascar Development Fund) sy ny fokonolona, ny ray aman-drenin'ny mpianatra no nahavitana izao foto-drafitrasa izao. Nanatrika izao lanonana izao ny Talem-paritry ny Fanabeazam-pirenena Itasy, ny ekipan'ny fari-piadidim-pampianarana Arivonimamo, ny Tale Jeneralin'ny MDF sy ireo olo-manan-kaja maro. Tsiahivina moa fa mamaha tanteraka ny olan'ny fanabeazana ao Ambaralamba Nord ity foto-drafitrasa ity noho ny mbola tsy fisian'ny foto-drafitrasam-panabeazana ao an-toerana. Mandeha dia an-tongotra an-kilometatra maro hatrany ny mpianatra araka izany teo aloha vao mahita sekoly hanovozana fahalalana.
Nangonin’i Pati
Feno 45 taona amin’ity taona 2025 ity ny CEG Antanetibe Mahazaza, distrikan’Ambohidratrimo,