airtel

Fampianarana

04-mars-2024

Asa sosialin’ny Depiote Todisoa

Tanora an’arivony no namaly, hianatra teny anglisy maimaimpoana

Sample post image

Niditra tamin’ny fomba ofisialy ny sabotsy 02 martsa 2024 lasa teo ny fampiarana

04-mars-2024

teny anglisy maimaimpoana ho an’ny tanoran’Ambohimanarina karakarain’ny depiote Todisoa Andriamampandry. Tanora an’arivony no liana sy nisoratra anarana tao anatin’izany, ka hiofana mandritra ny 09 volana, hianatra sy handalina ity teny iraisam-pirenena izay isan’ny be mpampiasa indrindra maneran-tany, ary ilaina amin’ny sehatra maro toy ny amin’ny tontolon’ny asa ity. Tafiditra amin’ireo asa sosialy fanaon’ny depiote Todisoa Andriamampandry io, ka tanora tsy tambo isaina no efa nisitraka izany satria efa andiany faha-5 ity nisokatra nanomboka ny sabotsy lasa teo ity. Ny mianatra sisa no anjaran’ireo tanora, fa hatramin’ny « polycopes » ampiasaina amin’ny fampiofananana dia iantohan’io solombavambahoaka io avokoa, raha ny fanamafisana. Manamafy hatrany moa ny depiote Todisoa Andriamampandry izay sady mpampianatra ihany koa, fa ny «Ny Fianarana no lova tsara indrindra», ka hitondrany ny anjara birikiny hatrany ho fanasoavana ireo tanora. Samy nidera sy nankasitraka ny finiavana asehoan’ity depiote ity avokoa na ny tanora an’arivony na ireo Raiamandreny nandritra ny fanombohana ofisialy io fampiofanana maimaimpoana io ny sabotsy teo. Mbola narahina fizarana yaourt ho an’izay tonga teny an-toerana moa mba ho fifampizarana ny mamy nandritra ity fotoana ity. Isan’ny tazana teny an-toerana moa ny Filoha teo aloha. « Mankasitraka ny Ray amandReny teto amin’ny firenena tonga nanome voninahitra. Misaotra ihany koa ny Association Andraina izay miara-miasa manohana », hoy i ny Depiote Todisoa Andriamampandry.
Toky R

 

Dans la même rubrique

15-mai-2024

Tafakatra 70% ny tahan’ny tsy fananan’asa mahazo ireo tanora latsaky ny 30 taona eto amintsika.

Card image cap