an’ny bakalorea, araka ny tatitry ny Ministeran’ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana ara-tsiansa omaly. Ity minisitera ity izay nilaza sy nanonona mivantana hoe : «Tsy kely làlana ny ratsy ! Ity izao dia polisim-pirenena tokony hanampy amin’ny fiarovana ny laza adina indray no milaza fa mivarotra ny sujet amin’ny sarany 60 000 Ariary ». Laza adina sokafana manaraka ny ora fanokafana azy amin'ny 7 ora sasany amin'ny fanombohana ny fanadinana no alainy sary dia aparitany haingana eto amin'ny Facebook mba hilazany hoe nahita laza adina mialoha izy ahafahany misoloky amin'ny laza adina manaraka izay marihina fa mbola tsy mivoaka ary tsy hivoaka raha tsy amin'ny ora voatondro hamoahana azy, hoy hatrany ny tatitra. « Salama Tompoko o ! 60000Ar ny sujet assuré 2025, raha maka 2 mirorona ny prix », hoy ny hafatra miafina izay nanamarihan’io olona io fa polisy manara-maso ny laza adina izy, ka izay no ahitany ny aza adina. Nitondra ny anarana Harentsoa Lafatra moa io kaonty io, ka asa na tena anarany na anaran’olon-kafa solokiana ihany koa. Nisy kosa anefa ny karatra na « badge » maha polisy izay navoakan’ny Minisiteran’ny fampianarana ambony, saingy notapenana ny mombamomba ity farany. Mbola tsy nisy fanamarinana na fanamarihana mikasika azy io sy ny departemantan’ny polisim-pirenena iasany. Efa tratra ity mpisoloky ity ary efa atao famotorana amin’izao fotoana izao, hoy ny tatitra. Somary mampametra-panontaniana ihany na izany aza hoe : tena voafehy ve ny tsy fipariahan’ny laza adina ? Andaniny, entanina ny mpiadina tsy ho roboka amin’ny tranga toy itony satria vao mainka mety hampirokotan-tsaina izany, fa indrindra famitahan-tena tanteraka.
Toky R