mpianatra sy Ray aman-dReny mijery sekoly haingana hianarana ho an’ny taom-pianarana vaovao indray. Nisongadina izany omaly nandritra ny tafa fohy nataon’ny Ministry ny Fanabeazam-pirenena Rtoa Sahondrarimalala Marie Michelle tamin’ny mpanao gazety raha nitsidika ny ampahany tamin’ireo foibem-panadinana teto an-drenivohitra ny tenany omaly. Nohamafisiny ihany koa fa hohatsaraina ny kalitaon’ny fanabeazana ka hisy ny fandraisana sy fampiofanana mpampianatra miisa 1.075 ho mpiasam-panjakana ankoatra ireo izay efa horaisina amin’ity taona ity, amin’ireny sekoly lehibe manofana ho lasa mpampianatra ireny. Ny fandraisana an’ireo mpampianatra ireo dia hialohavana adina ka hivoaka amin’ity herinandro vaovao ity ny peta-drindrina ao amin’ny Minisitera sy eny anivon’ny faritra rehetra izay ahitana an’ireny toerana manofana mpampianatra ireny, ny CISCO, ny DREN. Hahazo fiofanana eo anivon’ny INFP ireo izay mahafeno fepetra takiana mba hahazo entana na « bagage Pédagogique » alohan’ny handraisan’izy ireo ny asany amin’ny maha mpiasam-panjakana azy ». Tanjona moa ny mba hahafahana manatsara ny voka-panadinana hoy hatrany ny Ministra arahin’ny fivoaran’ny fahaizan’ny mpianatra ao amin’ny taona fahadimy ka hatramin’ny taona famaranana. Tsiahivina hatrany moa fa mahatratra 305.836 ireo mpiadina miatrika ny fanadinana BEPC manerana ny Nosy.
Pati
Tontosa omaly Talata 27 May Tontosa omaly Talata 27 May ny fanadinana CEPE
Afaka tapa-bolana mahery eo ho eo dia higadona ny datin’ny 17 Jona hanatanterahana