65 taona taorian’ny nananganana azy, vao nahazo kianja fanatanjahantena manokana ny CEG Antanimbarinandriana. Kianja fanatanjahantena marolafy no natolotry ny Fondation AXIAN ho an’ity sekoly ity, ka mpianatra manodidina ny 1 500 no afaka misitraka izany fotodrafitrasa izany. Hatramin’izay, tsy mbola nanana kianja manokana hanaovana fanatanjahantena ny CEG Antanimbarinandriana. Taorian’ny tsy fahafahan’ireo mpianatra nampiasa ny kianjan’Imahamasina ho an’ny taranja EPS, dia tao an-tokotanin-tsekoly no nanaovana ny fanazaran-tena sy ny hetsika ara-panatanjahantena. Natao indrindra hamahana izany olana izany ny fananganana ity kianja marolafy ity, mba hahafahan’ireo mpianatra rehetra mandray anjara amin’ny fanatanjahantena sy mikolokolo ny fahasalamany. Zava-dehibe ihany koa izany ho an’ireo mpianatra kilasy fahatelo, satria anisan’ny taranja dinihina amin’ny fanadinam-panjakana ny fanatanjahantena. Anisan’ny fotodrafitrasa miaraka amin’ny kianja ny efitrano fisoloana akanjo, izay natao hanamora indrindra ny fandraisan’anjaran’ireo tovovavy amin’ny fanatanjahantena. Araka ny fanazavana dia mety ho anisan’ny sakana tsy ahafahan’ny ankizivavy sasany mandray anjara mavitrika amin’ny taranja ara-panatanjahantena ny tsy fisian’ny toerana manokana hisoloana akanjo. Ho an’ny Fondation AXIAN, singa iray lehibe amin’ny fanabeazana ny fanatanjahantena. Ankoatra ny tombontsoa ara-pahasalamana sy ny fanampiana amin’ny fifantohan’ny mpianatra, dia mampivelatra ny fahaiza-miaina, ny fanajana fitsipika ary ny fanajana ny mpifanandrina ihany koa izy. Ity kianja ao amin’ny CEG Antanimbarinandriana ity no kianja faha-21 vita ao anatin’ny fandaharanasa M’hetsika M’Vola, izay natomboky ny Fondation AXIAN tamin’ny taona 2021. Tanjona amin’izany ny fananganana fotodrafitrasa ara-panatanjahantena maharitra ho an’ireo sekoly any amin’ny faritra samihafa eto Madagasikara.
Solotiana