vola-panadinana CEPE 2026 amin'ireo fari-piadidiam-pampianarana na Cisco manerana ny Nosy. Raha ny Cisco Ambatolampy no nisantatra ny famoahana voka-panadinana (87,6%) ny Alakamisy 18 jona dia omaly Alahady 21 jona tolakandro ny teto amin'ny Cisco Antananarivo Renivohitra no nivoaka. 85,30% ny taham-pahafahana. Fahombiazana raha ny tao amin'ny Akanin'ny Marenina 67ha. Afa-panadinana avokoa ireo mpiadina 15 mianadahy avy eto amin'ny AKA.MA. niatrika ny fanadinana CEPE tamin'ity taom-pianarana ity.
Jean D.