airtel

Fampianarana

11-avril-2024

CISCO ATSIMONDRANO

Efa vita hatrany amin’ny 70% ny fandaharam-pianarana

Sample post image

Taorian’ny fialan-tsasatry ny Paska dia efa saika niditra tamin’ity herinandro ity avokoa

11-avril-2024

ny ankamaroan’ny mpianatra rehetra manerana ny Nosy hiatrika ny roa volana fahaefatra ho an’ny taom-pianarana 2023-2024. Raha araka ny fanadihadiana natao teo anivon’ny fari-piadidiam-pampianarana Atsimondrano dia efa vita hatrany amin’ny 70% ny fandaharam-pianaran’izy ireo amin’izao. Ezahina hovitaina amin’ity volana Aprily ity mandray volana Mey ny ambiny raha araka ny fanazavana azo mba hahafahan’ireo mpianatra miditra tanteraka ao anatin’ny famerenana. Tanjona amin’izany hoy hatrany ny tompon’andraikitra ny mba hahafahana manatsara sy mampiakatra hatrany ny voka-panadinana ho an’ireo hiatrika ny fanadinam-panjakana toy ny CEPE sy ny BEPC. Tsy latsa-danja amin’izany ireo hiatrika ny fanadinana fifindran-kilasy. Tsiahivina moa fa sekoly miankina sy tsy miankina amin’ny fanjakana maro no efa mamaramparana ny famitana ny fandaharam-pianarany amin’izao koa miantso ireo Ray aman-dReny mba tsy hanao hatsirambina ny fandoavana ny saram-pianarana. Amin’ny ankapobeny mantsy dia mbola marobe ireo tsy mahaefa izany ara-dalana ho an’ny sekoly tsy miankina izay mbola mihoatra ny 50% hatrany, raha araka ny fanadihadiana.
Pati
Legende : Volana roa sisa dia hiatrika ny fanadinam-panjakana indray ny kilonga madinika !
 

Dans la même rubrique

15-mai-2024

Tafakatra 70% ny tahan’ny tsy fananan’asa mahazo ireo tanora latsaky ny 30 taona eto amintsika.

Card image cap