airtel

Fampianarana

17-nov-2026

EPP AMBALAMANGA

Solaitrabe goaka

Sample post image

no hianaran’ny mpianatra

17-nov-2026

Mbola tena marary ny sehatry ny fanabeazana eto amintsika. Betsaka ireo mpianatra tsy misy mpijery, indrindra fa ny eny anivon’ny sekolim-panjakana. Ho an’ny sekoly ambaratonga fototra ao Ambalamanga, kaominina ambanivohitr’Andranovao, Faritr’i Melaky dia solaitrabe goaka no hianaran’ny mpianatra. Anisan’ny toerana handalovan’ireo olom- boafidy sy olom-boatendry anefa ny ao Ambalamanga saingy tsy misy na dia iray amin’izy ireo aza mahavita mividy sy manolo izany. Voatery mihafy mandavan-taona noho izany ireo mpianatra. Tsy vitsy koa ireo mbola mipetraka amin’ny tany sy mianatra amin’ny sekoly tsy misy rindrina toy ny hita sy misy any amin’iny faritra Atsimon’ny Nosy iny. Ahiana mafy ny ho avin’ireo zaza malagasy any ambanivohitra noho izany. Lasa hataon’ireo mahitahita fitaovana sy ambakaina fotsiny mantsy izy ireny rehefa tsy afaka mianatra. Marihina anefa fa raha solaitrabe goaka sy tabilio tsy misy izany tsy tokony hiandrasana Fitondram-panjakana fa tokony mba ho vitan’ireo olom-boafidy ao an-tanana.
Nangonin’i Pati
Legende : Tahaka izao ny solaitrabe hianaran’ireo mpianatra sy ny rindrin’ny sekoly misy azy ireo !
 

Dans la même rubrique

CEG
16-nov-2026

Nisolo vaovao ny talen-tsekoly

Card image cap