Ankehitriny mbola tsy mitsahatra ny manabe ny tanora Malagasy ihany ity lisea iray eto an-drenivohitra izay marihina fa manana ny maha-izy azy manokana. Raha 1500 isa isan-taona mantsy ny mpianatra noraisiny teny am-piandohana dia efa mahatratra 3500 isan-taona amin’izao. Hankalaza ny faha-60 taona nijoroany ny lisea ny datin’ny 19 febroary ho avy izao. Hetsika goavana sy miavaka no entin’ireo tompon’andraikitra hanamarihana izany mandritra ny 3 andro izay hosantarina amin’ny fotoam-pivavahana iarahana amin’ny Fiombonan’ny Fiangonan’ny Jesoa Kristy eto Madagasikara na ny FFKM. Ao amin’ny LMA ihany no hatao io fotoam-pivavahana io arahin’ny fifampiarahabana nahatratra ny taona vaovao 2025 ny folakandro. Hitohy amin’ny fampirantiana hatao eo an-tokontany ny hetsika ny 20 Febroary entina hampahafantarana ireo maintimolalin’ity lisea iray ity, ny mpampianatra mahavitabe tao sy ireo tompon’andraikitra isan-tokony. Hitohy amin’ny diabe hiainga eo amin’ny LMA ny hetsika ny datin’ny 21 Febroary, hiazo ny Hotely Carlton Anosy….Izany rehetra izany no hatao moa dia ho fanokafana ny fankalazana ny fotsiny ihany izay mbola hitohy mandavan-taona. Fantatra moa fa anisan’ny mpianatra navoakan’ny LMA Ampefiloha ny filohan’ny Antenieran-doholona teo aloha, ny depiote voafidy ao amin’ny Boriborintany voalohany natolotry ny Fitondrana…
Pati
Legende : Liseam-panjakana manana ny maha-izy azy ny LMA Ampefiloha !
Feno 45 taona amin’ity taona 2025 ity ny CEG Antanetibe Mahazaza, distrikan’Ambohidratrimo,