airtel

Fampianarana

12-févr-2025

Fahalalana mitanila, Firenena bado, ho avy maizina

« Mila mpitondra sahy manatsara ny fanabeazana eto »

Sample post image

Niteraka fanehoan-kevitra samihafa ny fahavitan’ny zanaky ny Filojam-pirenena fianarana

12-févr-2025

tany ampitan-dranomasina. Zony tanteraka izany, saingy fanontaniana mipetraka kosa mikasika ny tontolon’ny fampianarana sy fanabeazana eto amintsika ny hoe : rahoviana vao mba tena hijery sy hanome hasina an’izany ny Fanjakana mba ho hisian’ny antoka mahomby ho an’ny ankizy sy tanora Malagasy ? Nitondra fanehoan-kevitra ny Vovonana Antso manoloana an’io ka nametraka ny hoe : « Elitisme vs égalité des chances » na ny fifanoheran’ny famolavolana olona ho elita sy ny fampitoviana herijika. Amin’izy ireo, ny fampianarana ratsy dia midika ho azy fa lavitry ny Fandrosoana. « Miharatsy hatrany ny kalitaon’ny fampianarana eto Madagasikara, ka manimba ny hoavin’ny taranaka Malagasy. Ny tena mampahonena dia lasa "Produit de luxe" ho an’ny vitsy an’isa monja ny fanabeazana tsara kalitao. Izay afaka mandoa vola be ihany no mahazo fampianarana mendrika, ka mametraka elanelana lalina eo amin’ny saranga sosialy », hoy izy ireo. Mbola nohamafisiny fa « Firenena Bado = Hoavy Maizina » satria tsy afaka hiroso amin’ny tena fandrosoana ny firenena raha maro an’isa amin’ny vahoaka no voahilika amin’ny fahalalana. Na dia lazaina ho tanjona aza ny fandrosoana, dia ho nofinofy foana izany raha tsy misy ezaka lehibe hampakarana ny farim-pahaizan’ny Malagasy rehetra. Tahaka izany ihany koa ny « Elitisme sy ny Fisainana Diso », ka nilazan’izy ireo fa mampanahy ihany koa ny fiheveran’ny maro fa any ivelany ihany no misy fanabeazana tsara. Misy koa ireo mihevitra fa izay nahazo fianarana tany ivelany dia lasa “Elite” sy hany tokana afaka mitondra fandrosoana. Tsy marina izany, indrindra raha firenena mahantra no resahina, satria vao mainka manamafy ny fanararaotana ara-tsosialy sy ara-toekarena, hoy ny Vovonana Antso. Tsy hisy firenena afaka handroso raha bado sy latsaka an-katerena ara-tsaina ny maro an’isa amin’ny vahoaka. Misy vondrona sy hery politika faly mahazo tombony amin’izao toe-javatra izao, ka mahatonga ny fampianarana ho fitaovana fitazonana fahefana fa tsy ho an’ny fampandrosoana ifotony. Mila mpitondra manana vina mazava, sahy mandray andraikitra hanarina ny sehatry ny fanabeazana. Tsy tokony hisy mpitondra na tompon’andraikitra ambony mampiana-janaka any ivelany raha tsy amin’ny "Bourse" omen’ny firenena vahiny. Tokony hametraka politika mazava amin’ny fampianarana maimaimpoana sy fanavaozana ny kalitao ny Fanjakana,… Raha tena tiana ny fandrosoana, dia tsy maintsy avoaka amin’ny haizina ara-tsaina ny vahoaka, hoy hatrany ny Vovonana Antso.
Toky R

 

 

Dans la même rubrique

28-mai-2025

Feno 45 taona amin’ity taona 2025 ity ny CEG Antanetibe Mahazaza, distrikan’Ambohidratrimo,

Card image cap