airtel

Fampianarana

25-nov-2026

FAKIOLITEN’NY

« EGS » TOAMASINA

Sample post image

Mpianatra M2 manao « mémoire »

25-nov-2026

maro tratra nampiasa IA
Maro ireo mpianatra ao amin’ny M2 tratra nampiasa Intelligence artificielle nandritra ny fanoratana boky fikarohana tao amin’ny EGS Toamasina. Efa maharaka tsara ny fivoaran’ny teknolojia ankehitriny ireo tompon’andraikitra eny anivon’ny DEG Toamasina ka nampiasa rindran-kajy manokana hamantarana ny hala-tahaka na plagiat sy ny fampiasana ny Ilontsaina artifisialy , nandinihana ireo boky fikarohana nataon’ireo mpianatra M2. Voakasika manokana ny Mention Droit, ho an’ireo manaraka ny Parcours Droit public. Hita tamin’izany fa nahatratra 86% tamin’ ny ampahan’ny asa fikarohana nataon’ny ankamaroan’ireo mpianatra no voamarika fa novokarin’ny IA. Vitsy dia vitsy ireo tsy niankina tamin’io teknolojia io. Miisa efatra monja no latsaky ny 20% no tsy nampiasa IA tamin’ny asa fikarohana natolony. Anisan’ireo nahazo vokatra tsara indrindra tamin’ity fitiliana ity i Faramihaja Elisah, izay nahitana fa 97% tamin’ny asa fikarohana nataony dia vokatry ny ezaka sy ny asa sorany manokana avokoa, fa tsy nianteherany tamin’ny IA. Tsiahivina moa fa tena nahabe resaka ity voka-panadinana ity, indrindra taorian’ny namoahan’ny DEG Toamasina izany tao amin’ny tambazotran-tserasera sosialy. Tsy misy maharatsy ny fivoarana entin’ny teknolojia saingy lasa mitarika ny ankizy mpianatra tsy hampiasa saina intsony ny fisian’ny IA raha izao no mitohy. Vao kilasy faha-8 mantsy ny mpianatra dia efa mampiasa ny IA mba hanome ny valin’ny fanadinana hampanaovina azy. Sekoly tsy miankina maromaro no efa nahazoana vaovao mifandraika amin’izany. Tokony hisy ny fepetra hentitra sy fandraisana andraikitra hataon’ny tompon’andraikitra manoloana izany.
Nangonin’i Pati
 

Dans la même rubrique

24-nov-2026

Hifaninana any Korea Atsimo ny

Card image cap