airtel

Fampianarana

20-nov-2023

Fampianarana ambony

Mamaky ady tanteraka amin’ny SECES ny Fitondrana

Sample post image

Tao anatin’ny tatitry ny fivoriambe nataony ny 17 novambra lasa teo no nanambaran’ny SECES Sampana

20-nov-2023

Antananarivo fa hamita ny fampianarana 2022-2023, izay ho vita ao anatin’ny 20 herinandro izany. Takian’izy ireo ny fandraisan’anjaran’ny Birao Nasionalin’ny SECES miisa roa na telo, handray anjara amin’ny Fihaonamben’ireo Filohan’ny Oniversite na CPU, handrafetana ny tetiandrom-pampianarana. Nosokajian’ny SECES Sampana Antananarivo ho fitondrana mpanao zinona ny fampianarana ambony no misy, ka tsy afaka hiandry intsony ny zanaka Malagasy ny SECES Antananarivo, hoy izy ireo. Nanapaka fa mitohy tsy mijanona amin’ny endriny hafa ny fitakiana sy ny tolona. Atsaharo tanteraka, hoy ny SECES Antananarivo, ireo fandrahonana sy ramatahora ary antsojay atao amin’ny mpitarika ny sendika. Mazava, hoy hatrany izy ireo, ny taratasy namaliana izany teti-dratsy tsy mifantoka amin’ny lalàna sy tsy manaraka ny satan’ny mpampianatra mpikaroka izany,… Momba ny raharaham-pirenena, mitohy ny fanitsakitsahana ny maha tany tan-dalàna an’i Madagasikara, voahosihosy ny lalàmpanorenana, ary tsy voahaja ny demokrasia sy ny zon’olombelona, hoy rantsan’ny SECES io. Andaniny, nirotsaka fanapahan-kevitry ny mpitondra satria notapahana ny karaman’ireo mpitarika sendika. Na dia efa nanao ny ezaka rehetra (noho raharaham-pirenena) ny hamerenana ny fampianarana aza isika dia tapaka karama ireo mpitarika namantsika. Noho izany ny mitabe tsy lanin'ny mamba », hoy SECES Antananarivo. Ny karama sy tambin-karama efa misy olana, dia mbola fanapahan-karama no setriny, ka milaza ny hanao fivoriambe io rantsan’ny SECES io rahampitso 21 novambra, hitondrana setriny eo anatrehan’ny ambaran’izy ireo fa famakiana ady bodongerona ataon’ny Fanjakana amin’ny SECES manokana sy ny mpitarika sendika, ary ao anatin’ny tsy fanarahan-dalàna tanteraka sy fanaovana zinona ny dingana sy antanan-tohatra tokony hatao.
Toky R

 

Dans la même rubrique

24-juil-2024

Mampiaka-peo manoloana ny olana samihafa miverimberina ny mpianatry ny oniversiten’Antananarivo

Card image cap
24-juil-2024

Anisany mpandray anjara tamin'ny hetsika Madagascar school Fair teny amin'ny Radisson Blu

Card image cap
24-juil-2024

Hafakely ny tranga nandritry ny fanadinana bakalorea tany Ambositra ny andro voalohany,

Card image cap