Fotoana nihaonan’ireo mpikambana ao amin’ny Sampana Antananarivo sy ny Sampana Nasionaly io. Nanome voninahitra sy nanokatra izany ny Ministry ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-Tsiansa, Pr Assoumacou Elia Béatrice izay manatanteraka ny fifadian-kanina ka tsy afaka nijanona hatramin’ny farany. Teboka maromaro no voaresaka dia ny momba ireo volavolan-didim-panjakana miisa dimy mifandray amin’ny fampiharana ny Lalàna laharana 2021-005 mikasika ny Sata mifehy ny Mpampianatra Mpikaroka sy ny Mpikaroka Mpampianatra. Voaresaka ihany koa ireo asa miandry sy an-dalam-panatanterahana, ny fikarakarana ny vatsim-pianarana izay efa mizotra amin’ny dingana hanaovana “ engagement “ ankehitriny. Farany, nanamafy ny Minisitra fa misokatra hatrany ny varavaran’ny Ministera amin’ny fikatsahana vahaolana amin’ireo karazana olana sedrain’ny fampianarana ambony sy ny fikarohana nandritra ny taona maro ka hatramin’izao ary tsy manisy elanelana amin’ny Sendika ny tenany sy ny ekipa miara-miasa aminy. Tsara ny manamarika fa nafampana ny toe-draharaha teo anivon’ny Anjerimanontolo tao ho ao.
Toky R
Efa 5 volana izao no tsy nisy fampianarana vanona intsony teny anivon’ny sekoly ambony politeknika Vontovorona.