ho an’ny Oniversiten’Itasy ny Japoney
Hahazo fanohanana ara-bola mitentina 300 tapitrisa yen na 8,6 miliara ariary eo ho eo, avy amin’ny Governemanta japoney ny Oniversiten’Itasy. Natao hanatsarana ny fikarohana ara-tsiansa, indrindra eo amin’ny sehatry ny harena an-kibon’ny tany, ity fanampiana tsy averina ity. Fitaovana maoderina entina mandinika sy mamakafaka ireo harena an-kibon’ny tany no hovidiana amin’izany, ka anisan’ny hifantohana manokana ny grafita sy ny béryllium. Tsy ny fanatsarana ny fitaovana ampiasaina amin’ny fikarohana ihany no tanjona, fa koa ny fanamafisana ny fahaiza-manaon’ireo mpianatra sy mpikaroka ary ny fanofanana manampahaizana malagasy. Amin’ny alalan’ity tetikasa ity no antenaina hahafahana manampy amin’ny firosoana amin’ny lalindalina kokoa ny fikarohana momba ny harena an-kibon’ny tany eto Madagasikara sy mamantatra ny fomba hampiasana izany ho fampiroboroboana ny indostria eto an-toerana. Tafiditra ao anatin’ny Fandaharan’asa Fampandrosoana ara-toekarena sy ara-tsosialy 2026 ny fanohanana. Tao amin’ny Minisiteran’ny Raharaham-bahiny no nanatanterahana ny fanaovan-tsonia ny antontan-taratasy mifandraika amin’izany, tamin’ny alalan’ny Minisitry ny raharaham-bahiny Malagasy N’DIAYE Alice sy ny Mpiandraiki-draharaha eo anivon’ny Masoivohon’i Japana.YAMADA Shigechika. Ny Minisitry ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola, Dr RAMIARISON Herinjatovo Aimé, sy ODAWARA Kosuke, Solontena maharitry ny JICA eto Madagasikara, kosa no nanao sonia ny Fifanarahana momba ny fanomezana. Manamafy ny fiaraha-miasa eo amin’i Madagasikara sy Japon eo amin’ny sehatry ny fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa ity fanohanana ity, izay antenaina hitondra vokatra amin’ny fampivelarana ny fahalalana sy ny fampiasana ny harena an-kibon’ny tany eto amin’ny firenena. Manao ranolava ny fanamafisana fiaraha-miasa ataon’ny Firenena matanjaka toy ny Rosianina, ny Amerikanina, ny Japoney,… izay irariana mba tena hisy fiantraikany ara-toekarena sy ara-tsosialy.
Toky R