airtel

Fampianarana

22-août-2025

Fampianarana sy fanabeazana

Misy vokany ny tohana nentin’ny JICA

Sample post image

Efa mba mihatsara ny fahaizan'ny mpianatra Malagasy ny taranja kajy sy ny

22-août-2025

fahaiza-mamaky teny sy manoratra eto amintsika, hatramin'ny nisian'ilay tetikasa TAFITA, hiarahana amin'ny JICA. Nizara ny traikefany sy ny fomba fampiharana ny tetikasa teto Madagasikara ny solontenan'ny Minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena nandritra ny fihaonam-be « TICAD » natao tny Japana, omaly Alakamisy 21 Aogositra. Isan’ireo paikady lehibe nahazoana ity vokatra tsara ity ny fampandraisana anjara ny vondron’olona ifotony amin’ny alàlan’ireo sahan'asa notsinjaraina toy ny fanaovana tombana ny taha-pahaizan’ny mpianatra, ny famantarana ny olana hatrehin’izy ireo ka mahatonga ny taha-pahaizany nilatsaka, ary manarina izany amin'ny fanaovana tantsoroka manaraka « approche TARL ». Nahitana fiakarana hatramin’ny 23% ny taha-pahaizan’ny mpianatra amin’ny taranja kajy vokatr'izany raha niakatra 28% amin'ny fahaizana mamaky teny, tamin'ireo faritra 11 nanaovana ny tombana. Tsiahivina fa faritra miisa 13 eto Madagasikara no misitraka ny tetikasa TAFITA izay iharahana amin'ny JICA , ary fanamby apetraky ny Fanjakana ny hampiakatra ny taha-pahaizana mamaky teny sy mikajy ho 90% hatramin’ny taona 2030.
Pati
Légende : Ireo delegasiona Malagasy niaraka tamin'ireo mpanohana eo anivon'ny JICA !

 

Dans la même rubrique

21-août-2026

Hisy tolotr'asa ho an'ny tanora

Card image cap
20-août-2026

Raha ny fanisàna natao

Card image cap