airtel

Fampianarana

26-janv-2024

Fanabeazam-boho ny teknolojia

Miroso hatrany ny orinasa Ericsson

Sample post image

Miroso hatrany ny orinasa Ericsson amin’ny fanabeazam-boho ny

26-janv-2024

teknolojia sy indostria mikasika ny serasera na TIC aty amin’ny faritra atsinanana na “Moyen-Orient sy Afrika, hoy ny fampitam-baovao voaray. Nisy noho izany ny fitsidiham-paritra nataon’ny ekipan’ny fitantanana ity orinasa voalaza teo ity teto Madagasikara ary nihaonan’izy ireo tamin’ireo mpiara-miombon’antoka aminy eto an-toerana. Tanjona ny hampitombo hatrany ny tanjaky ny fifandraisan-davitra sy ny tontolo nomerika eto an-toerana. Tafiditra ao anatin’ny vinan’ny Ericsson “Africa in motion” koa izao fitsidihana izao ary mifantoka amin’ny fijerena ny tanjaky ny tekinolojia efa misy eto amintsika mba hahafahana mampitombo izany. Raha ny tatitr’ity orinasa ity ny novambra 2023 dia tombanana ho eo amin’ny 3% isan-taona eo ho eo ny fitombon’ny fampiasana finday enti-tanana aty Afrika sobsaharianina. Raha 940 tapitrisa izany ny taona 2023 dia vinaniana hahatratra 1,1 miliara kosa amin’ny taona 2029. Araka ny voalazan’io tatitra io ihany dia ny tambazotra 5G no tena nahitana fitomboana ny mpampiasa azy, raha ny mikasika ny fifandraisan-davitra, hoy hatrany ny voalaza.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

15-mai-2024

Tafakatra 70% ny tahan’ny tsy fananan’asa mahazo ireo tanora latsaky ny 30 taona eto amintsika.

Card image cap