airtel

Fampianarana

28-mai-2026

Fanabeazana eny

anivon’ny fiarahamonina Antoky ny

Sample post image

filaminana sy ny fampandrosoana

28-mai-2026

Eo anivon’ny fiarahamonina no tena ahitana ny fiainan’ny olona andavanandro. Ao no mifandray, miara-miaina ary mifanampy ny mponina. Noho izany, ny fanabeazana eny anivon’ny fiarahamonina dia fototra lehibe mampitondra filaminana sy firaisankina. Amin’ny alalan’izany fanabeazana izany no mampianatra ny olona hanaja ny lalàna sy ny fitsipika , toy ny fanajana ny tontolo hiainana ,ny lalàn'ny fifamoivozana sns ...... Rehefa hajaina ireo dia milamina ny fiarahamonina, mihena ny ady sy ny fifandirana, ary mitombo ny fifampitokisana eo amin’ny olona. Manampy amin’ny fitandroana ny fahadiovana sy ny fiaraha-miaina tsara ihany koa izany. Saingy raha tsy arahina ny lalàna sy ny fitsipika dia miteraka olana maro. Tafiditra ao ny herisetra, ny halatra, ny tsy fandriampahalemana ary ny fikorontanana eo amin’ny fiaraha-monina. Vokatr’izany dia mihemotra ny fampandrosoana satria tsy misy filaminana sy firaisankina intsony. Noho izany, ilaina ny fanabeazana sy ny fanajana lalàna mba hanorenana fiarahamonina milamina. Miainga eny anivon’ny fiarahamonina izany ny fampianarana sy ny fanabeazana ny tsirairay mba ho olom-pirenena vanona, ary hirindra sy handroso eto Madagasikara.
VANYAH (stagiaire)
 

Dans la même rubrique