airtel

Fampianarana

31-oct-2025

Fanabeazana, fampianarana, fampananan’asa

Isan’ny andrasan’ny tanora anaty fanovàn-drafitra

Sample post image

Nisy tamin’ity herinandro ity, tetsy

31-oct-2025

amin’ny Magro Behoririka, ny velankevitra arahina adihevitra nokarakarain’ireo tanora avy amin’ny antoko politika Tiako i Madagasikara na TIM. Tanora no tena niantsehatra teny ifotony, hoy ny fanazavàna, nandritr’ireny tolona ireny. Tiana havoaka ankehitriny ny hevitra avy amin’ny tanora hitondràna ny fiovàna eto amin’ny firenena. Tiana ho ampitaina amin’ny fitondràm-panjakàna izany. Hisy ny fehinkevitra hivoaka ao aorian’izao ary izay no ho entina eny anivon’ny mpitondra fanjakàna. Isan’ny nivoitra tamin’ity adihevitra ity ny maha zava-dehibe ny fampandrosoana ny fanabeazana sy fampianarana, ny fampananan’asa ho an’ny tanora ary ny fanabeazan-tena na «développement personnel». Isan’ny andrasan’ny tanora anaty fanovàn-drafitra izay izorana anatin’izao tetezamita izao ireo, hoy hatrany ny fanazavàna voaray.
Nangonin’i J. Mirija
 

Dans la même rubrique

27-juil-2026

fiantohana ny mpianatra sy ny mpiasa

Card image cap