Vita sonia ny 23 jolay 2026 teo ny fiaraha-miasa eo amin’ny Minisiteran’ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arak’asa na ny METFP tarihin’ny Minisitra Todisoa Andriamanampy sy ny tranom-piantohana Ny HAVANA, ho fanamafisana ny fiarovana sy ny fiantohana ho an’ireo mpiasa sy mpianatra eo anivon’ny Ministera. Tafiditra ao anatin’ny fanomezana lanja ny maha olombelona izay anisan’ny laharam-pahamehan’ny METFP amin’ny fanatanterahana ny politikam-pampandrosoana entiny izany ary kendrena amin’izany ny hanomezana tontolo azo antoka sy milamina ho an’ireo mpandray anjara rehetra eo amin’ny sehatry ny fampianarana teknika sy ny fanofanana arak’asa. Anisan’ireo hisitraka izany fiarovana izany ny mpiasa sy ny fianakaviany, ary ireo mpianatra handray anjara amin’ny fifaninanana nasionaly amin’ny fanatanjahantena an-tsekoly, izay hisy fiantohana manokana mandritra ny fanatanterahana izany ny 10 hatramin’ny 16 Aogositra 2026 izao. « Miara-miasa ny Minisitera sy ny tranom-piantohana Ny Havana, izay inoana fa hihatsara. Isaorana ny Minisitera nisafidy ny Ny Havana na maro aza ny tranom-piantohana. Mifampatoky satria samy Malagasy, mba ialana amin’ny toe-tsaina teo aloha », hoy ny Tale Jeneralin’ny tranom-piantohana ny Havana. Tsy maniry loza, fa tsara foana ny mitsinjo ny ampitso ankamantatra, hoy hatrany izy. Misy tolotra manokana, ary tafiditra ihany koa ny fiantohana mikasika ny fiara isan-karazany, izay ity trano fiantohana ity no niarahan’ny Minisitera hiombon’antoka hanankinan’ny Minisitera. Fiaraha-miasan’ny samy Malagasy, mifampatoky satria samy Malagasy. « . Zava-dehibe ny hiantohana ny aina ny toy izao, ary ny Malagasy rehetra no entanina hiditra amin’ny resaka fiantohana. Misokatra hatrany amin’ny fiaraha-miasa ho an’ny sehatra rehetra na miankina na tsy miankina izay vonona hifanampy ny METFP », hoy kosa ny Minisitra Todisoa Andriamampandry.
Toky R