vao afaka mivoaka ny efitranom-panadinana ireo mpiadina Bakalorea rehetra manerana ny Nosy manomboka izao. Hisorohana ny mety hisian’ny tranga hafahafa no anton’izany hoy ny Ministra tompon’andraikitra omaly Alatsinainy 21 Jolay raha nanokatra tamim-pomba ofisialy ity fanadinam-panjakana ity tetsy amin’ny Lisea JJ Rabearivelo, CEG Antanimena, LMA Ampefiloha ary Masca Sabotsy Namehana ny tenany sy ireo mpiara-miasa aminy. Mikasika ny laza adina filozofia izay nanombohan’ny mpiadina izany moa ny maraina dia betsaka ireo natahotra ilay laza adina manao hoe : Ratsy ve ny fanjakana ? ka naleon’izy ireo nisafidy ilay laza adina hafa iray. Tsiahivina fa miisa 222. 330 ireo mpiadina nisoratra anarana amin’ny fanadinana bakalorea taona 2025, raha toa ka 218. 395 tamin’ny taon-dasa, izany hoe : nisy fitomboana.
Pati
Legende : Nilamina ny fanadinam-panjakana Bakalorea andro voalohany tamin’ny ankapobeny !