airtel

Fampianarana

29-juin-2026

FANADINAM-PANJAKANA BEPC

Efa voaatitra ny laza adina

Sample post image

any amin'ireo saro-dalana

29-juin-2026

Hotanterahina ny 06 ka hatramin'ny 09 Jolay ho avy izao ny fanadinam-panjakana BEPC taona 2026 manerana ny tanin'ny Repoblikan'i Madagasikara. Nanomboka afak'omaly Sabotsy 27 Jona araka izany ny fanaterana ny laza adina any amin'ireo faritra saro-dalana. Tafiditra tao anatin''izany ny distrikan'i Sainte Marie, Faritra Anosy, Nosy Bé ary Maroantsetra. Nambaran'ny Ministry ny Fanabeazam-pirenena Rajaonarison Sendranirina fa tsy misy ahiana ny mikasika ireo laza adina efa naterina ireo. Efa nisy mantsy raha ny nambarany ny paikady napetraka ho fiarovana izany. Momba ireo vaovao miparitaka anaty tambajotran-tserasera Facebook milaza ho mahita laza adina BEPC dia nambarany fa zavatra foronina sy fanakorontanana saim-bahoaka fotsiny ireny. Mahazo mahatoky ny Ray aman-dReny hoy izy fa tsy hisy laza adina hivoaka sy hiparitaka mialoha izany.
Pati

Légende : Mifono tsara tsy misy ahiana tahaka izao ireo laza adina efa voaatitra !
 

Dans la même rubrique

22-juil-2026

Mila manana 3 hetsy Ar

Card image cap