Andro vitsy sisa no isaina dia higadona ny datin'ny Talata 06 Jolay, fotoana hanatanterahana ny fanadinam-panjakana BEPC ho an'ny kilasy fahatelo. Ilana fitandremana be ny fiatrehana izany raha araka ny fanazavan'ny mpitsabo iray mba hananan'ny mpiadina filaminana sy fitoniana. Voalohany dia tsy tokony hiarin-toribe hiana-desona intsony aloha ny mpiadina fa mamadibadika kahie sisa. Tsy tokony hijery vata fahitalavitra maharitra intsony ihany koa ary mitandrina fahasalamana fatratra. Tokony mihinana sokola singany iray isan'andro raha mety hoy hatrany ity mpitsabo ity fa tsy amin'ny fotoanan'ny fanadinana vao manao izany. Manana anjara toerana lehibe amin'izany koa ny Ray aman-dReny hoy hatrany ny fanazavana azo raha tiana hahomby ny zaza. Tsy tokony hiady eo imason'ny ankizy raha misy olana ao an-tokantrano ary manokana fotoana kely mba hanohanana sy hanotronana azy ireny mandritra ny fotoanan'ny fanadinana. Notsiahiviny fa sakafo maivana tsy be menaka sy tsy atahorana hankarary kibo no tsara omena ny ankizy mandritra ny fotoanan'ny fanadinana. Folo taona moa no zandriny indrindra hiatrika ny fanadinam-panjakana BEPC amin'ity taona 2026 ity raha 60 taona mahery no zokiny indrindra.
Pati
Légende : Tokony hilamina sy ho tony ny mpiadina rehetra mialoha sy mandritra ny fanadinana !