airtel

Fampianarana

23-juin-2023

Fampianarana

Fanadinana CEPE Hivoaka mialohan’ny fetim-pirenena ny vokatra

Sample post image

Hivoaka mialohan’ny fetim-pirenena 26 jona izay homarihina amin’ny alahady sy alatsinainy ho avy izao ny voka-panadinana CEPE,

23-juin-2023

raha araka ny fampitam-baovao avy amin’ny Ministeran’ny Fanabeazam-pirenena. Efa nanomboka nampiditra ny naotin’ireo mpiadina ao anaty solosaina ireo mpampianatra sy tompon’andraikitra isan-tsokajiny omaly alakamisy na ny transcription ka tamin’ny ankapobeny raha araka ny loharanom-baovao azo dia ny taranja kajy no nahavoa ireo ankizy mpiadina. Nahay sy nahavoa kosa anefa ny ankamaroan’ny mpiadina tany amin’ny taranja Malagasy, Frantsay…Raha ny vinavinan’ireo mpitsara moa dia mety hiakatra ny taham-pahafahan’ny mpiadina niatrika ny fanadinam-panjakana CEPE amin’ity taona 2023 ity. Tsiahivina moa fa nahatratra 580.000 ireo mpiadina niatrika izany fanadinana izany ho antsika teto Antananarivo renivohitra.
Pati
Legende : Hivoaka tsy ho ela ny voka-panadinana CEPE
 

Dans la même rubrique

28-mai-2025

Feno 45 taona amin’ity taona 2025 ity ny CEG Antanetibe Mahazaza, distrikan’Ambohidratrimo,

Card image cap