Nanamafy ny fitakiany ny mba hamahana ny olan’ny fampianarana ambony izay miantraika amin’izy ireo. Noho ny tsy famahana ny olan’ny mpampianatra moa, dia mikatso tanteraka ny fampianarana, efa ho efatra vola izao. Anton’io ny tsy fanefana ny tambin-karama sy ora fanampin’ny mpampianatra izay efa hatrany amin’ny 2018-2019. Manamafy ireo mpianatra fa olana goavana avy amin’ny Fanjakana no anton’izao. Nanapa-kevitra moa ny Filankevitra siantifika eo anivon’ny Oniversiten’Antananarivo fa hofaranana amin’ny 18 desambra ny taom-pianarana. Miezaka ny haka toky eo anatrehan’ny filazana fa miverina ny fampianarana manomboka alatsinainy, hivory ho an’ny anio, manantena fa hiverina daholo ny fampianarana fa tsy ho sadasada, ka mbola hanatitra ny tompon’andraikitra ihany koa. Mitohy ny fitokonana, hoy izy ireo, rehefa misy ny zavatra tsy milamina, ka niantsoan’izy ireo ny hanozana hasina sy hajany ny fampianarana ambony. Nisy ihany koa ny fampivorian’ny Minisitry ny fampianarana ambony ireo sojabe sy tompon’andraikitry ny sampam-pampianarana samihafa omaly, taorian’ny toromariky ny mpitondra ambony izay nanome baiko ny hanasaziana ireo mpampianatra nambara fa manao fitokonana tsy ara-dalàna sy nolazaina fa efa tsy fitakiana sendikaly intsony, fa politika. Mandeha ny fandrahonana hanapaka karama.
« Ny mpiara-miasa amin’ny tena hotapahana ny karamany. Ny ora fanampiny tsy voaloa efa telo, dia mbola hotapahana ihany koa ny karamany. Olana ny jirama, toeram-pampianarana ambony kanefa tsy misy jiro. Ny mpampianatra an-tselika tsy mandray karama. Maninona raha ny olana no vahana fa tsy ny karama indray no tapahana ? », hoy i Tahina Razafinjoelina kandida Filoham-pirenena fa mpampianatra eny amin’ny oniversiten’Antananarivo ihany koa, izay naneho fa mila homena hasiny ny fampianarana raha te handroso isika.
Toky R
Tontosa omaly Talata 27 May Tontosa omaly Talata 27 May ny fanadinana CEPE
Afaka tapa-bolana mahery eo ho eo dia higadona ny datin’ny 17 Jona hanatanterahana