airtel

Fampianarana

23-nov-2022

Fampianarana

Fanamorana ny fampianarana ireo « Autiste » Novatsiana fitaovana ilay ivontoerana manokana eny Androhibe

Sample post image

Fanampiana isan-karazana toy ny fitaovana informatika maro no natolotry ny Orange Solidarité Madagascar sy ny Fondation BOA-Madagascar ho an’ny fikambanana Avana hahafahana

23-nov-2022

manangana ny ivotoerana fanabeazana sy ara-tsosialy izay tetikasa iarahan’izy ireo miasa. Ny taona 2022 no efa mpikambana tao amin’ny Autisme Fédération Madagascar na AUFEM ny Avana. Ny fahitana ny fahasahiranan’ireo ray aman-dreny sy ireo zanany manan-janaka manana tsy fahatomombanana na « autiste » no nahatonga ny fanapahan-kevitra hanangana ny ivotoerana manokana eny Androhibe, hoy hatrany ny fampitam-baovao. “Unités centrales” miisa 10 moa no isan’ny natolotry ny Orange Solidarité Madagascar sy ny Fondation BOA-Madagascar ary miaraka amina akora informatika hafa toy ny “écran”, “clavier” ary “souris”, hoy hatrany ny fampitam-baovao.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

30-mai-2025

Hanomboka ny 10 Jona ho avy izao haharitra 10 andro ny adina ara-panatanjahantena Bakalaorea

Card image cap