airtel

Fampianarana

18-nov-2022

Fampianarana

Fanampiana ireo tsy ampy enti-manana hanohy fianarana Hiara-hiasa ny banky sy sekoly ambony tsy miankina

Sample post image

Tontosa ny fifanaovan-tsoniam -piaraha-miasa teo amin’ny sekoly ambony tsy miankina ESUM etsy Andavamamba sy ny NIM na ny banky malagasy “Nouvelle institution de micro finance” ny faran’ny herinandro teo.

18-nov-2022

Naompana tamin’ny fanampiana ireo mpianatra sy ireo ray aman-drenin’ny mpianatra mbola te hanohy fianarana ambaratonga ambony kanefa tsy afaka manao izany intsony noho ny tsy fahampiana na ny tsy fisian’ny ho enti-manana izy ity, hoy ny fanazavana. Ny fanomezana tolotra ireo mpianatra sy ireo ray aman-drenin’ny mpianatra amin’ny fahafahana mindram-bola amin’ny alalan’ireo famatsiam-bola madinika na ny « Micro finance » no endrika isehoan’ny fanohanana. Araka izany dia fampindramam-bola izay natokana amin’ny filana eo amin’ny fianaran’ny mpianatra tahaka ny saram-pianarana sy ny manodidina izany ka alaina ao amin’ny « NIM » ary azo aloha tsikelikely no anjara biriky entin’ny 2 tonta hanalana sahirana ireo mpianatra sy ireo ray aman-drenin’ny mpianatra. Nisy fifanakalozan-kevitra nampahafantarana ny lanjan’ny fampianarana ambony eto Madagasikara izay notontosain’ity sekoly ambony ity. Singa iray hahafahana mampandroso ny firenena io. Anisan’ireo sekoly manasongadina ny sehatry ny teknolojia ny sekoly ary isan’ny manaporofo izany ny fiaraha-miombon’antokany amin’ny « Centre d’étude Franco-américain de Management » na CEFAM any Lyon, Frantsa, hoy hatrany ny fanazavana.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

28-mai-2025

Tontosa omaly Talata 27 May Tontosa omaly Talata 27 May ny fanadinana CEPE

Card image cap
28-mai-2025

Afaka tapa-bolana mahery eo ho eo dia higadona ny datin’ny 17 Jona hanatanterahana

Card image cap