teo anivon’ny ministeran’ny fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa na MENSUPRES tao amin’ny tranokalan’ny hetsika Fôsika, izay natao hanoherana ny fanaovana diplaoma sandoka na fôsika, raha ny fampitam-baovao voaray omaly. Efa nandraisana fepetra, hoy ny fanazavàna, ny 98 tamin’izy ireo rehefa voamarina sy voaporofo. Mbola eo an-dalam-pikirakiràna kosa ny ambin’ny fitarainana ary milaza ny eo anivon’ity minisitera ity fa mitohy hatrany ny fandraisana andraikitra. Isan’ny mahaliana mpanara-baovao maro ny hoe mety misy tomponandraiki-panjakàna ambony efa nandalo teto amin’ny firenena no isan’ny voakasik’izay resaka izay ihany koa. Tsiahivina, ohatra, fa isan’ny efa niteraka resabe io nandritry ny fitondràna teo aloha.
Nangonin’i J. Mirija
Diso ny filazana fa hisy fandroahana faobe ! Tsy maintsy mpianatra ara-dalàna kosa!»