Ao anatin’ny fanavaozana ny rafitra fanabeazana sy fanofanana eto Madagasikara mifanaraka amin’ny politika ankampoben’ny Fanjakana (PGE-R), hanatanteraka Fihaonambe nasionaly ho fanavaozana ny Fampianarana Teknika sy Fanofanana Arak’asa (ETFP) ny Minisitera mpiahy (METFP) ny 11 sy 12 Aogositra ao Mahajanga, mifanontona amin’ny fanatanjahan-tena an-tsekoly nasionaly izay sambany andraisan’ny Minisitera anjara. Ity fihaonambe ity dia sehatra lehibe hanamafisana ny fifampiresahana sy ny fiaraha-miasa eo amin’ny Fanjakana sy ny mpiara-miombon’antoka, hamolavola paikady vaovao mifanaraka amin’ny filàn’ny toekarena sy ny fiarahamonina, ary hanome lanja ny fanavaozana lalina amin’ny sehatry ny fanabeazana teknika. Kendrena ny hanatsara ny kalitaon’ny fiofanana, hanitarana ny fahafahan’ny tanora misitraka izany manerana ny faritra, ary hampifanarahana bebe kokoa ny fandaharan’asa amin’ny filàn’ny tsenan’asa sy ny sehatra mamokatra. Hifanome tanana amin’izany ny vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana, ny sehatra tsy miankina, ny mpiara-miombon’antoka ara-bola sy ara-teknika, ny fiarahamonim-pirenena, ny tontolon’ny fikarohana sy ny fanabeazana, ny sendika, ary indrindra ireo tanora sy mpianatra. Vokatra andrasana ny famoahana soso-kevitra sy tari-dalana stratejika ho fototry ny fanavaozana ny rafitra ETFP, hanatsarana ny fitantanana, hampitombo ny kalitaon’ny fiofanana ary hanamafy ny fahafahan’ny tanora miditra amin’ny asa mendrika sy mamokatra. « Ny fanavaozana ny Fampianarana Teknika sy Fanofanana Arak’asa dia fototra hananganana taranaka mahay sy tompon’andraikitra amin’ny fampandrosoana maharitra an’i Madagasikara » hoy ny Minisitra Todisoa Andriampandry. Mahatratra 173 ny lisea teknika, 88 ny ivon-toeram-panofanana arak’asa, ary niakatra 4,9% ny fisoratana anarana ho an’ny taona 2025. Tanjona ny hampiakatra ho 10 000 ny tanora hofanina isan-taona hatramin’ny 2027. Mandritra ny fihaonambe any Mahanjanga, hisy ny fanomezana fifanarahana arak’asa ho an’ireo mpampianatra ao anatin’io faritany io izay tsy nisy tao anatin’ny 4 taona, fizarana « attestation », fanokanana ivon-toeram-panofanana, ary fifarahana amin’ny fikambanana iray mpanao asa sosialy.
Toky R