airtel

Fampianarana

02-nov-2026

Fandaharan’asa

English Access Mpianatra

Sample post image

25 misitraka vatsim-piofanana

02-nov-2026

Mpianatra 25 avy amin’ireo liseam-panjakana ao Antsirabe no voafantina hisitraka ny fandaharanasa vatsim-piofanana English Access, tohanan’ny Departemantam-panjakana Amerikana. Noraisin’ny Ambasady Amerikana eto Madagasikara ny sabotsy 31 oktobra 2026 teo izy ireo, nandritra ny lanonana fanombohana ny fiofanana izay nampiantranoin’ny Lovasoa Cross-Cultural Competence Center. Haharitra roa taona ny fiofanana, izay mikendry ny hanampy ireo tanora Malagasy hanatsara ny fahaizany amin’ny teny anglisy, hampivelatra ny fahaiza-mitarika ary hanitatra ny fahalalany. Tanjona ny hanomanana azy ireo amin’ny hoavy tsara kokoa, na eo amin’ny sehatry ny fianarana na eo amin’ny tontolon’ny asa. Ny Foibe Lovasoa no mpiara-miombon’antoka miandraikitra ny fanatanterahana ity fandaharanasa ity eto Antsirabe. Ankoatra ny fampianarana ny teny anglisy izay mametraka ny mpianatra ho ivon’ny dingam-pampianarana, dia tafiditra ao anatin’ny fandaharam-piofanana ihany koa ny fandalinana ny kolontsaina sy ny soatoavina ara-piarahamonina amerikanina. Homena sehatra ihany koa ireo tanora handalina ny maha-olom-pirenena maneran-tany sy ny fifanakalozana ara-kolontsaina. Nanotrona ireo mpianatra nandritra ny lanonana fanombohana ny fiofanana androany ny solontenan’ny Masoivoho Amerikana, ny Préfet ao amin’ny faritra Vakinankaratra, ny solontenan’ny kaominina Antsirabe, ireo talen’ny liseam-panjakana niavian’ireo mpianatra ary ny solontenan’ny Foibe Lovasoa. Amin’ny alalan’ity fandaharanasa ity, dia mikendry ny hanampy ireo tanora Malagasy hahazo fahaiza-manao sy fahalalana hahafahany misitraka tombontsoa maro kokoa i Etazonia. Anisan’izany ny fahafahana manohy fianarana, miditra eo amin’ny sehatry ny asa ary mandray anjara amin’ny fifanakalozana iraisam-pirenena. Ankoatra izany, ny English Access dia manomana ireo mpianatra hisitraka azy mba hahafahany miroso amin’ireo fandaharanasa fifanakalozana tohanan’ny governemanta amerikanina sy ny fahafahana manohy fianarana any Etazonia amin’ny hoavy.
Toky R

 

Dans la même rubrique

02-nov-2026

Hiady ho an’i Madagasikara ny Mazavaloha

Card image cap
30-oct-2026

Tsy tokony ho volam-bahoaka, ny eto no mila hatsaraina ! »

Card image cap