airtel

Fampianarana

02-nov-2026

Pan-African

Robotics Competition 2026

Sample post image

Hiady ho an’i Madagasikara ny Mazavaloha

02-nov-2026

Hisolo tena an’i Madagasikara amin’ny dingana famaranana amin’ny fifaninanana Pan-African Robotics Competition (PARC) 2026 ny mpianatra efatra avy ao amin’ny Sekolim-pirenena momba ny Informatika (ENI) ao Fianarantsoa. Tafiditra tao anatin’ireo ekipa folo voalohany nahazo ny tapakila hiatrika ny dingana famaranana ny ekipan’ny MAZAVALOHA, raha miisa 30 mahery ireo ekipa nandray anjara tamin’ny fifaninanana. Hiazo an’i Dakar, renivohitr’i Sénégal, araka izany, ireo mpikambana ao amin’ny MAZAVALOHA, hiatrika ny fifaninanana izay hotanterahina manomboka rahampitso 3 ka hatramin’ny 7 novambra 2026. Mpianatra amin’ny taona fahatelo, sampana Informatika ankapobeny izy efatra mianadahy ireo, dia i Rovatiana Media Arson, Tanteliniaina Daniella Fanambinantsoa, Jean Christian Andriantenaina ary Harena Lucianno Randrasaniaina. Fotoana iray hahafahan’ireo tanora maneho ny fahaizany sy ny vokatra azony amin’ny sehatry ny robotika sy ny informatika eo amin’ny sehatra afrikanina izao. Hiaro ny voninahitr’i Madagasikara sy hifaninana amin’ireo solontena avy amin’ny firenena hafa izy ireo. Marihina fa karakaraina mandritra ny fanomanana sy fanatanterahana ny Lalaon’ny Tanora Olaimpika (Jeux olympiques de la jeunesse) 2026 any Dakar ity fifaninanana ity. Sehatra iray natao hampisongadinana ireo tanora manana talenta sy fahaiza-manao manokana amin’ny teknolojia sy ny robotika izy ity. Tafiditra ao anatin’ny fitohizan’ny fandraisan’anjaran’ny ENI tamin’ity fifaninanana ity ny fahazoan’ny ekipan’ny MAZAVALOHA ny tapakila hiatrika ny dingana famaranana. Efa nahazo vokatra tsara tamin’ireo andiany teo aloha mantsy ny solontenan’ity sekoly ity. Tamin’ny taona 2025, nahazo ny laharana fahatelo ny ekipan’ny SakaITany, ka tafakatra teo amin’ny lampihazo i Madagasikara. Ny taona 2024 kosa dia nahazo ny toerana faharoa, izany hoe tompondaka lefitra ny ekipan’ny Robotiako. Anjaran’ny MAZAVALOHA indray izao no hisolo tena an’i Madagasikara sy ny ENI amin’ity andiany vaovao ity. Hifaninana ao amin’ny sokajy « Engineers League » izy ireo, ka irariana hitondra avo ny voninahitr’i Madagasikara amin’ity fifaninanana ity satria isan’ny sangany eran-tany amin’ny tontolon’ny informatika sy ny robotika ny Malagasy.
Toky R

 

Dans la même rubrique

02-nov-2026

25 misitraka vatsim-piofanana

Card image cap
30-oct-2026

Tsy tokony ho volam-bahoaka, ny eto no mila hatsaraina ! »

Card image cap