airtel

Fampianarana

23-mars-2023

Fampianarana

Fandoavana ny vatsim-pianarana “Mbola tsy nahatonga ny lisitra ny oniversite”

Sample post image

Ny lisitra avy any amin’ny oniversite mbola tsy tonga no olana amin’ny resaka fizarana vatsim-pianarana,

23-mars-2023

raha ny fanazavan’ny Minisiteran’ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa tamin’ny alalan’ny Talen’ny Vatsim-pianarana Atoa Toky Andriambinintsoa omaly. Io omaly 22 martsa io mantsy ny fe-potoana farany nomena ireo Oniversite manerana ny Nosy hanaovana ny fankatoavana farany na “validation finale” ny lisitra farany na “liste finale” an’ny mpianatra, saingy tsy mbola nisy anefa na iray aza hatramin’ny omaly oniversite nahatonga ny lisitra sy “Etat global” ahafahana manao “engagement” teo anivon’ny Minisitera, hoy ny fanazavana. Ho an’ny politeknika manokana, dia nomarihin’ny Talen’ny Vatsim-pianarana fa efa nahavita lisitra madio, fa kosa tsyy maintsy miandry ny lisitra sy ny “Etat global” an’ny oniversite sy ny Ivon-toeram-pampianarana ambony eo anivon’ny Oniversiten’Antananarivo rehetra, fa tsy afaka mandeha mitsitokatokana sy misaratsaraka. Milaza ny Minisitera fa manampy ireo “scolalités” amin’ny fisoratana anarana, ary ny Minisiteran’ny Paositra manao fanampiana ara-teknika. Niantso fitoniana ho an’ny mpianatra noho izany ny Minisiteran’ny Fampianarana ambony, ary milaza fa efa mandeha an-tsakany sy andavany ny fikarakarakana, fa ny fe-potoana no tsy voahajan’ny Oniversite. Marihina fa ny 01 martsa 2023 dia nanao antso ho an’ireo mpianatra izay nanao fangatahana ka voafantina nandritra ny sivana fa mahazo sy misitraka vatsim-pianarana ny Minisitera mba hijery sy hanamarina ny anarany anaty lisitra eny amin’ny fiadidiam-pampianarana na “scolarité” tsirairay. Nambara tamin’izany fa hiroso amin’ny fanamarihana sy fankatoavana na “validation liste” ny tompon’andraikitra, ary nisy tetiandro navoaka ka ny 06 martsa ho an’Antananarivo, ary omaly 22 martsa ny an’ny IST Ambositra, izany hoe: io omaly io ny fe-potoana farany. Lisitra tokana voamarina iarahan’ny Oniversite, Minisiteran’ny fampianarana ambony, Minisiteran’ny Paositra sy ny fifandraisan-davitra, ny Paositra Malagasy mankatoa sy mandany no ampiasaina handoavana ny vatsim-pianarana, io voalaza fa tsy mbola misy tonga io.
Toky R
 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

tapitrisa Ariary ho an'ireo mpianatry ny sekoly ny Ray mpiahy ny fankalazana sady filoha

Card image cap
25-avril-2024

Tsy zakan’ireo mpianatra ao amin’ny Lisea Morarano distrikan’Ihosy intsony ny fitiavam-bola diso

Card image cap
24-avril-2024

Misy olona manaparitaka zava-mahadomelina ao anatin'ny faritry ny onivesite-n’i Barikadimy,

Card image cap