airtel

Fampianarana

04-déc-2023

Fanodinkodinam-bola 114 tapitrisa Ar

Talem-paritry ny fampianarana teknika nidoboka am-ponja

Sample post image

N Naiditra am-ponja vonjimaika ny faran’ny herinandro teo ny Talem-paritry

04-déc-2023

ny fampianarana teknika sy ny fanofanana arak’asa ao amin’ny Faritra Menabe sy ireo olona roa izay mpitantana orinasa tsy misy (fournisseurs fictifs) ao Morondava. Fanaovana hosoka tamina tsenam-barom-panajakana izay nanomezana tombontsoa orinasa sy mpivarotra tsy nisy akory no anton’izany. Volam-panjakana mitentina 113 951 000Ar na 114 tapitrisa latsaka kely no voaodina tamin'izany hoy ny vaovao.Arahin'ny Fitsarana maso kosa ny lehiben'ny fitantanam-bola sy ny mpiandraikitra ny Tsenam-baro-panjakana any an-toerana. Raha tsiahivina kely ny tantara dia nanomboka tamin’ny taona 2020 no nisian’io fanodinkodinam-bola io ka hatramin'izao taona 2023 madiva hifarana izao. Nisy koa ny fandroahana mpiasa vakatera tsy ara-drariny ka nampidiran’Ingahy tale ny vadiny sy ny anabaviny tamin'ny toeran'ireo banga. Nahazo fahafahana vonjimaika moa ny vadin'ingahy tale sy ireo mpiasa izay mpikambana tao amin'ny "Commission d'Appel d'offre" raha tsy eto an-toerana sady tsy mbola nandray ny asany kosa ny anabavin'ingahy tale nefa nanomboka tamin'ny Martsa taona 2022 no tafiditra ho mpiasa tao amin’ity sampandraharaha ity DRETFP ka mbola mandray karama foana hatramin'izao.
Nangonin’i Pati

 

Dans la même rubrique

16-juin-2025

Mpianatra miisa 7 tamin'ireo 60 isa noraisina hianatra maimaim-poana eo anivon'ny Asama Anosipatrana

Card image cap
13-juin-2025

Mpampianatra teny anglisy maherin’ny 100 no nandray anjara tamin’ny fiofanana iraisam-pirenena

Card image cap