na «sens de responsabilité» an’ireo mpianatra ihany koa ankehitriny, hoy ny fanazavàn’ny mpampianatra eny amin’ny anjerimanontolo tsy miankina iray eto Antananarivo renivohitra. Vao raisinao ao amin’ny taona voalohany ilay mpianatra dia efa hita mihitsy ny elanelan’ny lentam-pahaizana nisy tamin’ny 10 taona, indrindra, 20 na 15 taona lasa tany ho any, hoy izy, fa ny tena loza dia ny eo amin’izay resaka fahatsapàna maha tomponandraikitra izay. Izahay tamin’ny fotoan’andro, ny saram-pisoratana anarana hiditra tao voalohany ihany no niantohan’ny ray aman-dreny fa ny tohiny rehetra efa samy nahavita niezaka samirery nitady ny hahafahana manohy ny namana rehetra. Ny tanora amin’izao dia ohatran’ny mihevitra fa mandeha ho azy daholo ny zava-drehetra. Ohatran’ny hoe ho eo anilan-drizareo eo foana ny ray aman-dreniny aminy fa tsy ho osa na oviana. Na efa taona faharoa sy fahatelo hanao «licence» aza dia mahagaga fa mbola tena betsaka ireo tsy mahatsiaro tena ho tomponandraikitra. Lentan’ny Bakalorea nitotongana ve no antony sa ny fanabeazan’ireo ray aman-dreny izay matetika tsy tafaraka amin’ireo tanora manoloana ny asa aman-draharaha sy fahasahiranana samihafa fa dia izay aloha no zava-misy tsikaritra? Tena miha tsy tomponandraikitra amin’ny hoaviny ny tanora ankehitriny, hoy hatrany ity mpampianatra sy mpanabe ity, na amin’ny resaka fanohizana fianarana eny amin’ny anjerimanontolo aza!
J. Mirija