mipetrapetraka ny fanomanana
Hotanterahina manomboka ny Alatsinainy 06 Jolay ho avy izao haharitra 4 andro ny fanadinam-panjakana BEPC manerana ny tanin'ny Repoblikan'i Madagasikara. Ho an'ny Fari-piadidiam-pampianarana Antananarivo renivohitra dia miisa 24.975 ireo mpiadina hiatrika izany hiparitaka amina foibem-panadinana miisa 34 raha miisa 327.815 manerana ny Nosy. Ao amin'ny Lisea Maoderna Ampefiloha no be mpiadina indrindra satria dia mahatratra 2991 izy ireo hiatrika ny fanadinana ao anaty efitrano 63 isa.10 taona no zandriny indrindra hiatrika ny fanadinana ao amin'ny Lisea Nanisana, raha araka ny fanazavan-dRamananantony Lalaina, lehiben'ny Fari-piadidiam-pampianarana Antananarivo renivohitra. 55 taona kosa no zokiny indrindra hiatrika ny fanadinana ao amin'ny Lisea Jean Joseph Rabearivelo Analakely. Efa vonona ny hiatrika avokoa ireo mpiadina amin'ny ankapobeny raha araka ny fanazavany. Mikasika ny fanomanana manokana dia nomarihiny fa eny anivon'ny Cnapmad Ankorondrano no miainga ny laza adina. Ho an'ny Fari-piadidiam-pampianarana Antananarivo renivohitra manokana dia amin'ny faran'ny herinandro izy ireo no maka izany eny eny an-toerana ary manatitra ny laza adina eny anivon'ny Boriborintany ka ny polisim-pirenena no mandray an-tanana ny fiambenana azy. Ny lehiben'ny foibem-panadinana indray no maka izany amin'ny Alatsinainy ho avy izao, fotoana hanombohan'ny fanadinana ka mizara izany isaky ny efitranom-panadinana. Efa mipetrapetraka avokoa ny fandaminana rehetra amin'ny ankapobeny. Miisa 174.760 ireo mpiadina nisafidy ny sokajy A raha 153.055 ireo nisafidy ny sokajy B.
Pati
Légende : Izy no Ramananantony Lalaina, lehiben'ny Fari-piadidiam-pampianarana Antananarivo renivohitra !