Raha araka ny fanadihadiana natao tamin’ireo sekoly tsy miankina eny amin’iny faritra Atsimondrano iny mantsy indrindra fa ho an’ireo nampiakatra saram-pianarana dia niala avokoa ny ankamaroan’ny mpianatr’izy ireo. Tsy nisy niverina ireo Ray aman-dReny sasany na dia efa tafiditra ao anatin’ny volana Septambra aza isika izao. Vao ny 40%n’ny mpianatra na 50% raha betsaka no niverina hatramin’ny herinandro raha araka ny fanadihadiana natao hatrany. Misy amin’ireo sekoly anefa no nanitatra ny trano fianarana hahafahana mandray ireo mpianatra raha nisy ihany koa ireo nampiditra mpampianatra vaovao. Ny hany feo mandeha dia saika mitady lalana eny anivon’ireo sekolim-panjakana avokoa ny Ray aman-dReny. Eny amin’izy ireny mantsy no tsy misy vola aloha isam-bolana toy ny teo aloha intsony no sady afaka mianatra isan’andro tsy misy ahiana ny zaza. Manomboka eo amin’ny 2000 Ar ka hatramin’ny 10.000 Ar isaky ny mpianatra moa io fampiakarana saram-pianarana io izay efa tena mavesatra ho an’ny Ray aman-dReny tokoa noho ny fidangan’ny vidim-piainana. Pati
Legende : Mazava ho azy fa hihenabe ireo mpianatra hiditra an-tsekoly amin’ity taom-pianarana vaovao ity !
Tontosa omaly Talata 27 May Tontosa omaly Talata 27 May ny fanadinana CEPE
Afaka tapa-bolana mahery eo ho eo dia higadona ny datin’ny 17 Jona hanatanterahana