airtel

Fampianarana

20-janv-2026

Fiaraha-miasa amin’ny

Groupe Axian Hahazo lisea manara-penitra

Sample post image

ny Kaominina Alakamisy Vontovorona

20-janv-2026

Vokatry ny fiaraha-miasan’ny tsy miankina sy ny Fanjakana na ny 3P (Partenariat Public-Privé), hanana liseam-panjakana voalohany ny Kaominina Alakamisy Vontovorona 12 taona aty aorian’ny naha kaominina azy. Tontosa omaly 19 janoary 2025 ny soniam-piaraha-miasa teo amin’ny Kaominina sy ny Groupe Axian, namafisin’ireo ambaraton-drafitra ara-panjakana, ara-panabeazana,... Liseam-panjakana manara-penitra voalohany izay ahitana fotodrafitrasa lehibe miisa 3, dia ny trano fianarana lehibe iray misy efitra fianarana miisa 6, trano iray hafa misy efitra 3 lehibe izay ahitana biraon’ny mpampianatra, ary ny « bloc sanitaire » ho an’ny mpianatra, mpanabe, mpianatra,… Nankasitraka sy nisaotra manokana ny Vondrona Axian ny ben’ny tanàna Mendrika Rasolonirina noho ny fanohanana, indrindra fa ny lafiny fanabeazana eo anivon’ny kaominina sy eto Madagasikara manonontolo, ka ity dia hositrahan’ny ankizy sy tanora maro eo anivon’ny kaominina sy ny toerana manodidina. Hatramin’izay dia voatery mamonjy ireo kaominina manodidina, toa an’i Fenoarivo, Ambatomirahavavy, hatrany amin’ny Lisea Ampefiloha ny mpianatra avy ao amin’io Kaominina io. Efa misy ny EPP, CEG, ary ny Oniverite amin’ny alalan’ny Politeknika Vontovorona, ka nitadiavana vahaolana ny mba hananan’ny kaominina Lisea mahaleotena, raha ny nambaran’ny ben’ny tanàna hatrany. 7 volana no nomen’ny Vondrona Axian hahatanterahana ny fotodrafitrasa lehibe, ka heverina fa handraisana mpianatra amin’ny taom-pianarana manaraka. « Tsy maintsy nitadiavana vahaolana ny ankizy satria matetika voatery miakatra any an-drenivohitra mamonjy liseam-panjakana, toy ireo vao afaka fanadinana BEPC. Ny fitohanana anefa tena mamely ety aminay ! Matetika ireo mpianatra mamonjy ny renivohitra amin’ny 4ora maraina dia miala ety an-toerana, tena mijaly, ka izay no nikarohana vahaolana maharitra satria tena mijaly ny ankizy, ary isan’ny vaindohan’ny kaominina rahateo ny fanabeazana sy ny fampianarana izay antoky ny fandrosoan’ny Firenena aoriana », hoy ny Ben’ny tanàna Rasolonirina Mendrika. Raha ny fanampim-panazavana netin’ny Proviseur an’ny Lisea Alakamisy Vontovorona Andriamady Herilalaina kosa, nanomboka ny taona 2023 no nanomboka nanangana ny Lisea izay mpianatra 90 no nanombohana azy, saingy mbola mampiasa ny fotodrafitrasan’ny CEG sy CEG, ka ankehitriny dia misy mpianatra manodidina 230 sahanin’ny mpanabe sy mpandraharaha miisa 26 eo izay ahitana mpampianatra mpiasam-panjakana 10 eo ampian’ireo « bénévoles », ka zava-dehibe ity ezaka ity satria tsy ho ela dia hanana trano ho azy manokana ny Lisea, hoy izy.
Toky R
 

Dans la même rubrique