Niroso tamin’ny fifanaovan-tsonia ny fiaraha-miasa « Record of Discussion » momba ny tetikasa lehibe « Projet de Développement des Ressources Humaines dans le secteur de l’Industrie Minière » miompana amin’ny fampandrosoana ny loharanon’olombelona amin’ny sehatry ny indostria mineraly, ny METFP na Minisiteran’ny fampianarana teknika sy ny fanofanana arak’asa tamin’ny alalan’ny Minisitra Dr Todisoa Andriamampandry sy ny JICA ( Agence Japonaise de Coopération Internationale) notarihin’ny solontena maharitra eto Madagasikara ODAWARA Kosuke. Ity tetikasa vaovao manohy ny fiaraha-miasa ara-teknika efa natomboka tamin’ny fanomezana nataon’ny Japana tamin’ny taon-dasa, ka mikendry ny hanamafisana ny kalitaon’ny fampianarana ara-teknika sy ny fiofanana matihanina amin’ny sehatra mineraly. Hanamafy ny kalitaon’ny fampianarana amin’ny alalan’ny: fanofanana mpampianatra sy mpiofana amin’ny sehatra mineraly mba hananana fahaiza-manao mifanaraka amin’ny fenitra iraisam-pirenena ; fanofanana ny tanora ho matihanina sy mahay afaka miditra amin’ny tsenan’ny asa sy manampy amin’ny fampandrosoana ara-toekarena. Eo ihany koa ny fampiroboroboana ny fiaraha-miasa stratejika. Maharitra 3 taona ny fiaraha-miasa, mahakasika Lisea teknika miisa 3 : Alarobia, Ampasapito, Toamasina. Misy ihany koa ny tetikasa TAFITA izay iarahana miasa amin’ny Japonais izay hampita ny fahaiza-manaony, fahaiza-miasa, kolotsaina tia karokaroka. Navoitran’ny Minisitra Dr Todisoa Andriamampandry izay nankasitraka ny JICA, fa mifanaraka amin’ny politika ankampobeny Fanjakana (PGE-R) sy ny « Plan d’Actions Stratégiques » an’ny METFP, ny tetikas, izay mikendry ny hanofana tanora Malagasy ho matihanina sy mahazaka ny fepetra ara-teknika, ara-pitantanana ary ara-barotra amin’ireo sehatra manan-danja amin’ny toekarena, ka antony lehibe naharesy lahatra ny mpiara-miasa. Nanamafy kosa ny JICA fa mifanaraka amin’ny laharam-pahamehana napetraky ny TICAD (Tokyo International Conference on African Development) ny tetikasa, indrindra amin’ny fampandrosoana ny tanora sy ny teknolojia.
Toky R