airtel

Fampianarana

19-janv-2023

Fampianarana

Fiarovana ny zon’olombelona Ho lasa taranja ianarana eny amin’ny oniversite

Sample post image

Miezaka hatrany ny UNESCO manatevin-daharana amin’ny ady hatao amin’ny herisetra sy ny fiarovana ny zon’olombelona eto amintsika hahafahana mametraka ny tena fandriampahalemana marina.

19-janv-2023

Mitohy hatrany araka izany ilay tetikasa Rary Aro Madagascar izay tanterahin’izy ireo vatsian’ny Fonds pour la consolidation de la paix vola. Taorian’ny fanentanana sy fampianarana ireo tanora any amin’ny faritra dia nijery manokana ireo mpianatry ny anjerimanontolo eny Ankatso indray izy ireo. Miara-miasa akaiky amin’ny oniversite sy ny PBF ny Unesco amin’ny fanatanterahana izany ka hisy ny fampidirana anaty taranjam-piofanan’ny mpianatra momba ny fanajana ny zon’olombelona. Ao amin’ny taona voalohany dia efa hampidirina izany raha araka ny fanazavan’ny dokotera Rasoanilava Lanto, talen’ny zana-tsehatra eo anivon’ny fakiolten’ny siansa sy ny maha-olona. Hitohy hatrany amin’ny taona fahaefatra hakan’ireo mpianatra ny diplaoma master izany izay nomarihin’ity tompon’andraikitra ity fa hampihariny avy hatrany eny an-tsehatra rehefa misy ny voyage d’etudes tanterahiny. Ao amin’ilay centre de documentation sy information ireo mpianatra no hanovo fahalalana mifandraika amin’izany, ivon-toerana namboarin’ny UNESCO sy novatsiany fitaovana. Ankoatra ny radio dia ahitana video projecteur, boky maro…. ihany koa ao amin’ity ivon-toerana ity ka misy ireo afaka mianatra mivantana ao an-toerana avy hatrany raha misy ihany koa ireo afaka mandray izany any ivelany na hampitain-davitra. Omaly no notokanana tamim-pomba ofisialy io ivon-toerana io.
Pati
 

Dans la même rubrique

24-juil-2024

Mampiaka-peo manoloana ny olana samihafa miverimberina ny mpianatry ny oniversiten’Antananarivo

Card image cap
24-juil-2024

Anisany mpandray anjara tamin'ny hetsika Madagascar school Fair teny amin'ny Radisson Blu

Card image cap
24-juil-2024

Hafakely ny tranga nandritry ny fanadinana bakalorea tany Ambositra ny andro voalohany,

Card image cap