airtel

Fampianarana

06-juin-2023

Fampianarana

Fiatrehana ny fanadinam-panjakana Lasa rera-tsaina amin’ny delestazy ny mpianatra

Sample post image

Tsy misy izay tsy rera-tsaina amin’ny hafitsoky ny fahatapahan-jiro matetika na ny delestazy eto an-drenivohitra sy ny

06-juin-2023

manodidina ny rehetra. Ankoatra ny rotoroto amin’ny asa sy ny fianarana, arahin’ny fitohanan’ny fiarakodia eran’ny tanana dia mbola mampitaintaina ihany koa ny jiro isan’andro, indrindra fa ho an’ireo ankizy mpianatra hiatrika ny fanadinam-panjakana. Tsy maintsy manao famerenana mantsy ireo ankizy mpianatra raha vantany vao tonga any an-trano mba tsy hisy ny fanadinoana. Ny tena mampalahelo anefa mirava amin’ny 05 ora hariva ihany koa izy ireny saingy matetika dia efa lasa hatrany ny herinaratra ary tsy miverina raha tsy amin’ny 11 na amin’ny 12 ora alina. Mahatsiaro ho rera-tsaina ireo ankizy mpianatra noho izany. Ho an’ireo mifoha amin’ny 04 ora maraina mba hamerin-desona moa dia efa lasa ihany koa ny herinaratra matetika ka tsy misy azo hatao afa-tsy ny miverina matory. Tsy ny ankamaroan’ny tokantrano rahateo no manana ireny karazana takamoa afaka harehitra ireny rehefa tapaka ny jiro, ny lampe kely mandeha amin’ny vatoaratra….Tsy vitsy amin’ireo Ray aman-dReny noho izany no lasa mamorom-bola hividianana labozia. Tsy maharitra ora telo ihany koa anefa ny labozia iray dia lany raha 600 Ar ny mora indrindra. Tsiahivina moa fa manapotika asa fihariana maro, miteraka rarin-tsaina ho an’ny mpiasa sy ny mpianatra, miteraka famoaham-bola hafa ihany koa ny delestazy ka tokony hitadiavan’ny tompon’andraikitra vahaolana maharitra.
Pati
Legende : Mila mianatra amin’ny jiro tahaka izao anefa ireo mpianatra hiatrika ny fanadinam-panjakana na maraina na hariva
 

Dans la même rubrique