nisokatra ny Tsena Fanantenana eny Ambohimirary mba hanampiana azy ireo, hoy ny fampitam-baovao voaray omaly. Tsena misokatra isan-taona, efa an-taonany maro izay. Mivarotra fitaovan’ny mpianatra ilaina rehetra toy ny kitapo, kahie, penina, rakibolana, biky sy ny maro hafa mialohan’ny fidiran’ny mpianatra izao izy ity. Tsy hanavahana na iza na iza, hoy i Hanitrinila Fanantenana, filohan’ny fikambanana mpanao asa soa Fanantenana FAFI 5 fa izay rehetra te hanjifa dia afaka avokoa rehefa voamarina amin’ny alalan’ny karinem-pokontany fa monina eny amin’ny boriborintany fahadimy. Nezahana ho mirary dia mirary ny vidin’entana mba hanamaivana ny fahasahiranan’ny ray aman-dreny, araka ny filamatra hoe “Miaro sy manasoa vahoaka!”, hoy hatrany ny voalaza.
J. Mirija