Ny teny Malagasy mantsy no mbola tena fototry ny fampitana ny fianarana ho azy ireny izay mifanohitra tanteraka amin’ireo sekoly tsy miankina mampiasa sy mikirakira ny teny Frantsay. Somary sahirana vokatr’izany ireo ankizy manovo fahalalana eny anivon’ny sekolim-panjakana raha oharina amin’ireo ankizy mianatra eny anivon’ny sekoly tsy miankina. Anisan’ny antony hanofanana ireo mpampianatra 20 mianadahy eo anivon’ny fari-piadidiam-pampianaran’ Andramasina izany. Ny teny frantsay B1 sy B2 ireo no hanofanana azy ireo ka mpampiofana avy amin'ny "Alliance française" Antananarivo no manolotra izany. Vokatry ny fiaraha-miasa eo amin'ny fikambanana "AGIRabcd Loire Océan"sy ny fari-piadidiam-pampianarana Andramasina no angady nananana sy vy nahitana izany ka ny tanjona dia hahay sy hahafehy ny teny Frantsay ireo mpampianatra 20 ireo no sady hahavita mampita izany amin’ireo mpianany ihany koa. Hisy ny fanolorana mari-pahaizana aorian'ny fiofànana. Pati
Tontosa omaly Talata 27 May Tontosa omaly Talata 27 May ny fanadinana CEPE
Afaka tapa-bolana mahery eo ho eo dia higadona ny datin’ny 17 Jona hanatanterahana