airtel

Fampianarana

03-nov-2025

Fikambànan’ny mpianatra eny Ankatso

Mitaky ny handravàna ireo fotodrafitrasa tsy ara-dalàna

Sample post image

Manoloana ny zava-misy ety amin’ny

03-nov-2025

oniversiten’Antananarivo dia manao izao fanambaràna izao izahay fikambànan’ny mpianatra ety anivon’ny oniversiten’Antananarivo, hoy ny fanambaràn’izy ireo ny zoma teo. Toherinay tsy misy fepetra, hoy izy ireo, ny fanangànana fotodrafitrasa tsy manara-dalàna manodidina ny faritry ny oniversite, izay manimba ny endrika sy ny hasiny. Manao antso avo ho an’ny mpitondra fanjakàna izahay, indrindra ny kaominin’Antananarivo renivohitra, izay tomponandraikitra voalohany, mba handray fepetra mivaingana amin’ny fandravàna ireo fotodrafitrasa tsy manara-dalàna rehetra ireo ao anatin’ny 72 ora. Miantso ny mpianatra rehetra izahay filohan’ny mpianatra mba ho avy eo amin’ny Esplanade Ankatso ny alatsinainy 3 novambra 2025, amin’ny 9 ora maraina, raha tsy misy fandraisan’andraikitry ny mpitondra fanjakàna ao anatin’ny fe-potoana nomena, hoy hatrany ity fanambaràna ity. Nomarihin’izy ireo moa fa hiantefàn’izao hafatra izao ny filoham-panjakàna mahefa, ny kaominin’Antananarivo renivohitra, ny minisiteran’ny fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique