airtel

Fampianarana

21-nov-2023

Fikambanan’ny mpianatra eny Ankatso

« Vahao ny olana, asio hasiny ny fampianarana, atsaharo ny tsindry »

Sample post image

Namoaka fanambarana ireo Fikambanana pedagojika rehetra eo anivon’ny Oniversiten’Antananarivo

21-nov-2023

ny andron’ny omaly 20 novambra. Nanipika fa toy ny rano sy vary ny mpianatra sy mpampianatra ka na an-tsaha na an-tanána dia tsy mifandao mandrakariva, ary tanan- kavia sy havanana ireo roa ireo ka izay didina marary. Eo anatrehan'ny savorovoro maro eny amin'ny ambaratonga ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa, tsy afaka ny hangina sy hitazam-potsiny izahay fikambanan'ny mpianatra rehetra, hoy izy ireo. Noho izany dia mangataka amin’ireo tompon’andraikitra mahefa rehetra ny mba hamahana ireto teboka maromaro: Ny hasin’ny anjerimanontolo, izay efa hita ny ezaka nataon'ireo SECES amin'ny fanohizana ny fampianarana kanefa dia mbola notapahana ihany ny karaman'izy ireo, hoy ny mpianatra. Takian’izy ny hamahana ny olan’ny SECES mba hialana amin'ny fitokonana lavareny ; ny famerenan-kasina ny Oniversite izay hita fa tena efa potika tanteraka ankehitriny. Mahakasika ny vatsim-pianarana, ny "réclamations bourses 2022-2023" dia takianay ny hamoahana azy satria manahy izahay sao ho very an-javona fotsiny toy ny tamin'ny taon-dasa indray izany; ny famoahana tetiandro sy ny vatsim-pianaran’ireo "doctorants" izay tsy mbola azo tamin'ity taom-pianarana ity, hoy ny mpianatra. Efa ambaranay dieny izao sahady koa, aminareo tompon'andraikitra voakasika, ny hitadiavanareo vahaolana sahady mahakasika ny Fampianarana amin'ny taom-pianarana manaraka sy ny mbola ho avy mba tsy hiverimberina intsony ireo olana ireo. Leo korontana izahay Mpianatra, miaina anaty tebiteby izahay, ka aoka ho atao laharam-pahamehana ny fampianarana ambony, hoy hatrany izy ireo. Nomelohin’ny mpianatra tanteraka ihany koa ny tsindry sy ny fandrahonana izay mahazo ireo filohan'ny mpianatra. Nanome fotoana ny tompon’andraiktra ahafahana mamaly ny fangatahany ny Fikambanan’ny mpianatra, ary nilaza fa miandry am-pitoniana ny : famahana ny olana. Efa am-bolana maro izao no nisy olana ny tontolon’ny fampianarana ambony, saingy zary laza resaky ny moana sy ny marenina hatrany, eny fa na nisy aza ny hetsika sy fitakiana mahery vaika.
Toky R
 

Dans la même rubrique

17-juin-2025

Efa ny 70%-n’ny asa fanamboarana ilay lisea vaovao ao amin’ny Fokontany Amboatavo,

Card image cap
16-juin-2025

Mpianatra miisa 7 tamin'ireo 60 isa noraisina hianatra maimaim-poana eo anivon'ny Asama Anosipatrana

Card image cap