no efa misitraka ny fisakafoana an-tsekoly miorina amin’ny fanjifana ny vokatra eny ifotony na “Home-Grown School Feeding” (HGSF). Ry zareo any Korea no manana rafitraheverina ho isan’ireo modely mahomby erantany momba ity HGSF ity. Nisy iraka nanao fandalinana ny fifanakalozana traikefa manodidina an'izany, ka nanaovana tatitra ny fiandohan'ny herinandro teo. Nivoitra tamin'izany fa ny sakafo an-tsekoly dia tsy fanampiana ara-tsakafo fotsiny, fa fampiasam-bola stratejika manampy amin’ny fanatsarana ny fanabeazana, ny fahasalaman’ny ankizy, ny famokarana ara-pambolena ary ny toekarena eny ifotony. Efa mampiseho fivoarana eo amin’ny kalitaon’ny sakafo ho an’ny mpianatra, ny tontolo iainan’ny sekoly ary ny fahatongavan’ny mpianatra mianatra ny fanatanterahana ny HGSF eto Madagasikara.
Jean D. (Sary fanehoana)