airtel

Fampianarana

30-janv-2026

Fitantanana ny fanabeazam-pirenena

«Mila tomponandraikitra nilona

Sample post image

tao anatin’ilay tontolo»

30-janv-2026

Solontena avy amin’ny CRINFP, ENS, CAPEN, ENF, mpampianatra «sciences économiques et sociales», mpampianatra sy mpanabe avy amin’ny sehatra maro no niray feo omaly nampahafantatra anatin’ny fanombanana ny zava-bitan’ny minisitry ny fanabeazam-pirenena ankihitriny izy ireo amin’izao fotoana izao. Ny lafiny fitantanana ny fanabeazana amin’ny ankapobeny, raha ny hita, hoy izy ireo, dia tena mbola tsy hay izay azo hamaritana azy. Mbola maro ny olana ara-tsosialy tsy mivaha. Isany ny mikasika ny CRINFP, izany hoe ireo mpiofana ho mpampianatra, izay efa nisy fehezan-dalàna nametrahana ireo mpampianatra ireo ho «catégorie 4» na sokajy faha 4 nefa avy eo nampidinina ho «catégorie 3». Lasa atao kilalaon-jaza ny fampidirana mpampianatra hiofana ao amin’ny CRINFP. Nisy filazàna fandraisana mpampianatra ny taona 2023, izay nandoavana sarany ara-dalàna 30.000 Ariary. Aman’aliny no mpifaninana niezaka nandoa izany nefa very an-javony fotsiny fa tsy notanterahina akory ny fifaninanana. Mila fanazavàna mazava izany mikasika izany. Tokony hampitoviana ny zon’ireo niofana tao amin’ny CRINFP. Isan’ny ahitàna lesoka koa ny ao amin’ny ENF. 3 taona nisesy izay ireo no anjorom-bala tanatin’ny asam-panjakàna. Mbola tsy miova izany hatreto. Tsy manana fomba fiasa mazava hamahàna ny olana izany ny mpitantana no dikany. Toy izay koa ny fandaminana ankapobeny an’ireo nivoaka CAPEN. Tokony hanaraka ny antsipiriany ara-tekinika tsara ny fandraisana azy ireny! Miandry ny tena drafitra sy tondrozotra itondràna ilay fanabeazana ny mpanabe. Manjavozavo hatreto ny tena andraikitra apetraka amin’ireo tomponandraikitra any ifotony. Lasa mifampiandriandry sy mifanilika fotsiny, hany ka tsy mandeha ny raharaha. Nankaiza, ohatra, ireo famatsiana LPI? Hatramin’izao mbola tsy tonga any amin’ireo sampan-draharaha izany ary tsy misy ahafahan’izy ireo miodina. Nisy fotoana mba tsy nijanona ho 110.000 Ariary intsony ny famatsiana na «subvention» ho an’ny mpampianatra fa 190.000 Ariary nefa ny fitavozavozàna aty amin’ny fitantanan-draharaham-panjakàna no mahatonga fahataràna lehibe mikasika izany. Ny mikasika ireo lisea sy ny resaka Bakalorea no farany. Tokony atao mazava tsara ilay safidy na «série» azon’ny zanantsika akàna Bakalorea fa manjary hitondra ny firenena any amin’ny lalana tsy izy! Ny tena mampalahelo ny mpanabe dia ny hoe tsy olona tato amin’ny fanabeazana hatrany no ampandraiketana ny fitantanana ilay fanabeazana dia lasa manana olana ohatran’izao foana isika. Tsy mahafantatra ilay pitsopitsony ao anatiny ilay tomponandraikitra voalohany. Lasa sahirana ilay minisitera iraimanontolo. Manentana ny tomponandraiki-panjakàna hatrany amin’ny fara-tampony, noho izany, mba tena hijery tomponandraikitra nilona tao anatin’ilay tontolon’ny fanabeazana sy mahalala tsara ny ilain’ny fanabeazana eto Madagasikara ho atao tomponandraikitra voalohany ato, hoy hatrany ireto mpampianatra sy mpanabe ireto.
Nangonin’i J. Mirija
 

Dans la même rubrique

06-mars-2026

Diso ny filazana fa hisy fandroahana faobe ! Tsy maintsy mpianatra ara-dalàna kosa!»

Card image cap
05-mars-2026

Mahasarika mpianatra sy Ray aman-dReny marobe

Card image cap