Raha ny antontan’isa ny taona 1998 dia ny 46%n’ny mpianatra malagasy tonga amin'ny faran'ny ambaratonga fototra na «primaire» no tsy nahatratra ny fahaizana mamaky teny takiana. Mbola ny banky iraisampirenena na BM ihany no namoaka ny 2019 fa niakatra ho 78 % izany. Ny jolay 2025, no voalaza fa efa ho tonga 95% izany. Heverina, araka izany, fa ny isan’ny mila fanavaozana voalohany indrindra dia ny fanabeazana eto amin’ny firenena. Mampivarahontsana ny tarehimarika, raha ity voalaza farany ity tokoa no sanatria hiafaràn’ny zaza malagasy! Andrasana, araka izany, ny fanovàna mahery vaika ao anatin’izao dingana vaovao eto amin’ny firenena izao momba izay tontolon’ny fanabeazana sy fampianarana izay, raha tsy hoe, tsy mitombina eto amin’ny firenena intsony angamba, ny fomba fiteny hoe «Ny fianarana no lova tsara indrindra!» na ny hoe «Ny tanora no hoavin’ny firenena!» sy ny tahaka izany rehetra. Heverina fa sarotra anefa ny hino fa afaka hampandroso firenena ny vahoaka bado.
J. Mirija